03 Mai : hetsika maro no ho tanterahina manerana ny Nosy

0

Hetsika maro no ho tanterahina amin’ny faha 03 ny volana Mai ho avy izao, fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Hisy ny fandaharana hiraisan’ny haino aman-jery rehetra, ny fanehoan-kevitra am-pahanginana sy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ho fanatsarana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.