1 Novambra : ireo voninkazo natoraly no be mpividy

0

Ireo voninkazo natoraly no be mpividy eny amin’ny mpivarotra amin’izao voalohan’ny volana Novambra izao. Antony, tsy mijanona 24 ora eny am-pasana akory ireo voninkazo artifisialy dia misy maka ary misy mivarotra eny an-tsena indray. Efa nisy ny fepetra noraisina manoloana izany hoy ireo mpiandry fasana eny Anjanahary.