Accueil 2020 avril

Archives mensuelles: avril 2020

Polisy maty tany Ambanja: melohin’ny CNIDH

0
Melohin’ny CNIDH ny famonoana polisy nitranga ny 25 Aprily teo tany Ambanja. Miantso ny fitondram-panjakana ny filohan’ny CNIDH handray ny andraikiny mikasika izany. Mifamatotra tanteraka hoy izy ny kolikoly sy ny tsy fanajàna ny zon’olombelona ary mila hamafisina haingana ny fanafoanana azy.

TRG : am-perinasa manolo ireo fantsona tranainy mitondra rano

0
Am-perinasa ny orinasa TRG International Pipeline Company Ltd avy any Afrika Atsimo miara miasa amin’ny Jirama amin’ny fanoloana ireo fantsona tranainy mitondra rano. Nanombohana izany ny teny Ilanivato Anosipatrana, nampiasana ireo teknolojia vaovao.

« PAM » : hisy fiantraikany ratsy amin’ny famokarana sakafo ny Coronavirus

0
Hisy fiantraikany ratsy amin’ny fambolena sy ny famokarana sakafo ny valan’aretina Coronavirus ary isan’ny ho tratran’izany i Madagasikara raha ny nambaran’ny solotena maharitry ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana, misahana ny ara-tsakafo. Ireto farany izay mandray anjara feno amin’ny fizarana ny « Tosika Fameno » hahafahan’ireo mpisitraka, hahazo izany ao anatin’ny fotoana fohy.

TOAMASINA : ireo mpiambina ilay sinoa ihany no namono azy

0
Ireo mpiambina azy ihany no namony ilay Sonoa tao Toamasina taorian’ny famotorana sy ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny police nationale any an-toerana. Tao an-tokotany fonenan’ilay sonoa iany no nadevenan’izy roa lahy ireto ny razana. Hitohy hatrany ny famotorana ary natolotra ny fitsarana izy roa lahy ireto.

Fikambanana Fitia : sekoly 4 no notsinjarainy ny vatsy tsinjo avy amin’ny fitondrana

0
Sekoly maro teto an-drenivohitra no nizaran’ny vadin’ny filohan’ny repoblika ny vatsy tsinjo avy amin’ny fitondram-panjakana. 140 ohatra ny mpampianatra nisitrak’izany teny anivon’ny CEG Nanisana. Hitondra fahavitriana ho an’ny mpampianatra amin’ny fanohizana ny fampianarana anatin’ny fiatrehana ny valan’aretina ny fanampiana toy izao hoy ny talen-tsekoly eny an-toerana.

Visite technique taxi be : maimaimpoana mandritry ny fahamehana ara-pahasalamana

0
Maimaimpoana ny fanatanterahana ny visite technique ho an’ireo taxibe anatin’ny zone urbaine sy suburbaines mandritra ny fotoana voafaritry ny famehana ara-pahasalamana araka ny fanambarana navoakan’ny DGSR. Entina hanamaivanana ny mpitatitra no anton’ny fanapahan-kevitra.

Fihibohana : mahatratra 40 ny raharaha eo anivon’ny « Direction de la Police Judiciaire »

0
Nitombo ireo raharaha voarain’ny « Direction de la police judiciaire » eo anivon’ny zandarimariam-pirenena tato anatin’ny iray volana. 40 izany ankehitriny ary ny 6 amin’ireo, fampidirana am-ponja vonjimaika.

Fampianarana : niverina nianatra androany ny kilasy faha-5

0
Nanomboka androany ny fiverenan’ny fampianarana ho an’ny Kilasy faha-5 taorian’ny fiatona vokatry ny Covid-19. Voahaja ny fepetra napetraky ny fitondrana hifehezana ny valan’aretina amin’ny ankapobeny. Isany mbola andrasana ankilany ny COVID ORGANICS hanamafisana ny fiarovana ho an’ny mpianatra na izany ho an’ny sekoly tsy miankina na ny katolika.

Hazo sarobidy : mihoatry ny 50 isan’andro no miditra ao Ambatondrazaka

0
Voamboana na Palissandre mihoatry ny 50 isan’andro avy any amin’ny ala Atsinanana no miditra ao Ambatondrazaka. Lolohavina ary mandeha an-tongotra 2 andro sy 2 alina ireo andian’olona maromaro mitatitra ireo hazo ireo, ary misy aza mitondra vohoka. Amidy 6 alina hatramin’ny 8 Alina Ariary miankina amin’ny refiny raha toa ka vidiana 5000 Ariary no ividianana azy any anaty ala.

Kianja Barea : tara 1 volana ny asa

0
Misy fahatarany 1 volana ny asa fanamboarana ny andiany voalohany ny kianjan’ny Barean’i Madagasikara. Antony, mbola misy ireo fitaovana sy teknisiana sinoa andrasana. Nambaran’ny tomponandraikitra fa izay asa vita no handraisana ny fankalazana ny 26 jona, fiverenan’ny fahaleovantena.