Archives quotidiennes: 1 avril 2020

Fiara mpitatitra vokatra : mitaraina vokatry ny teritery eny an-dalana

0
Velon-taraina manoloana ny teritery mianjady azy ireo ny mpitati-bokatra indrindra ny mamatsy ny tsenan’Anosibe. Na dia teo aza ny fanambaranan’ny filoha amin’ny fahafahany mifamezivezy malalaka, maro ny teritery sy ny sakantsakana indrindra ny ataon’ny mpitandro ny filaminana sasany eny andalana.

“ Pack Vonjy Aina ” : nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana ireo mpivarotra amoron-dalana

0
Nahazo ny anjarany amin’ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra amoron-dalana teto andrenivohitra. Nidina ifotony nijery izany fizarana izany ny filoham-pirenena mivady ho an’ny androany maraina.

CNARP : ampy hitsaboana ny marary ireo fanafody eo am-pelatanana

0
Mahavita mamokatra 2.000 isa isan’andro amin’ny fanafody entina hanasitranana ireo soritr’aretrina sasantsasany amin’ilay valan’aretina ny ivon-toerana CREAP raha toa ka ampy tanteraka ny akora fototra ilaina.Ankilany, nanome toky ny minisiteran’ny fmpianarana ambony fa hanampy azy ireo amin’ny fitadiavana ireo akora fototra mba ahafahana mampitombo ireo vokatra ireo.

Fitiliana teny amin’ny CCI Ivato : hentitra ny fiarovana ny fahasalaman’ny rehetra

0
Notontosaina tamin’ity androany ity ny fitiliana faobe tamin’ireo olona avy any ivelany natao mise en quarentaine. Nanatrika izany ny filohan’ny repoblika, nankahery ireo olona natao fitiliana.Toerana roa no nanatanterahana izany, ny teny amin’ny CCI Ivato sy teny amin’ny Jumbo score Ankorondrano.