Archives quotidiennes: 2 avril 2020

Fiara mpitatitra entana : tsy mbola malalaka ny fifamoivoizana

0
Miteraka kolikoly amin’ny endriny maro samihafa ny toe-draharaha ankehitriny raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Association des Camionneurs transporteur. Misy amin’ireo mpitandron’ny filaminana no manivana ny entana afaka miditra eto Antananarivo na efa mazava aza ny nambaran’ny Filohampirenena.

Covid-19 : miato tanteraka ny asan’ny « agence de voyages »

0
Miato tanteraka ny asan’ny agences de voyages tao anatin’ny 1 volana izay. Mikorontana ny tontolon’ny fizahantany. Manoloana izany indrindra , manao antso avo ny fikambanan’ny agence de voyages eto Madagasikara ny amin’ny fanajan’ny rehetra ny fepetran’ny fihibohona ahafahana manarina aingana ny zava-misy ara-toekarena ankehitriny.

Ady amin’ny fanararaotana ara-barotra : tafapetraka ny laharana maitso 812

0
Tafapetraky ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ny laharana maitso 812 hanamafisana ny ady amin’ny fanararaotana ara-barotra eto Madagasikara. Azon’ny rehetra atao arak’izany ny miantso mivantana ny laharana raha misy endrika tsy fanarahan-dalàna. Mandray ny andraikiny ny minisitera aorian’izay ka miafara amin’ny fanakatonana ny tsena miampy fampandoavana lamandy hatramin’ny 50 Tapitrisa Ariary ny sazy ho an’izay tsy manara-dalàna.

Lalana Antananarivo : manomboka ny fanamboarana

0
Nomen’ny teo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy baiko ireo orinasa misahana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo hanomboka ny asa, taorian’ny toromariky ny filohan’ny Repoblika. Ireo lavadavaka amin’ny lalana no santarina amin’izany. Nanomboka ny fiandoahan’ny herinandro, ny teny Ankorondrano sy Ivandry iny no namboarina.

Fanampiana ho an’ny mpitondra taxi : manodidina ny 5 000 no efa nisitraka

0
Manodidina ny  5 000 isa amin’izao fotoana izao ny mpamily taxi efa nisitraka ilay fanampiana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, izay zaraina eny amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo.  Efa misy ny fandaminana ny amin’ny fiantsoana ireo mpamily raha ny fanazavana.

Fitiliana faobe : saro-pady ny fitandroana ny fahasalamana

0
Niditra tamin’ny andro faharoa ny Fitiliana faoben’ny valan’aretina covid-19 notanterahina teny amin’ny CCI Ivato sy teny amin’ny Jumbo score Ankorondrano. Entitra ny fitandroana ny fahasalaman’ireo olona mifanerasera tamin’ireo toerana ireo raha ny zava-nisy teny an-toerana.

Antsirabe : lehilahy nanao maloto saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

0
Tovolahy kely iray nanao maloto tamin’ny tamboho an’olona no tratran’ny tompon-tanana ka novonoina sy saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny fokontany Miaramasoandro Antsirabe renivohitra ny omaly. Tsy ekena ny fandotoana ny tanàna hoy ireo mponina