vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 6 avril 2020

Covid-19 : nijoro vavolombelona ireo malagasy sitran’ny valan’aretina any ivelany

0
Nijoro vavolombelona tamin’ny tambazotran-tserasera ireo malagasy mipetraka any ampitan-dranomasina sitran’ny valan’aretina Covid-19. Fanafody fahita anivon’ny toeram-pivarotam-panafody mahazatra, zava-maniry sy ny marohafa fahitana eto Madagasikara avokoa amin’ny ankapobeny no voalaza fa nahasitrana azy ireo.

Tsinjo ho an’ny mpanjifa : hotohizana ny famatsiam-bary ny mpaninjara

0
Niverina amin’ny laoniny ny famatsiam-bary manerana ny tsena kely eto Antananarivo taorian’ny TSINJO HO AN’NY MPANJIFA napetraky ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria. Tokony hamafisina hatrany ny hetsika hisian’ny entana tsy tapaka anivon’ny tsena maro hoy ny mpaninjara.

Fanampiana ny sahirana : mandeha tsikelikely

0
Fanampiana maro avy amin’ny filohan’ny repoblika sy ireo malala Tanana no miparitaka manerana an’I Madagasikara manoloana ny ny fotoanan’ny fihibohona entina misoroka ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus. Fanampiana izay miantefa indrindra any amin’ireo olona sahirana ary hisitraka izany ny rehetra na eo aza ny dingana tsy maintsy arahina raha ny fanazavana.

Faritra Analanjorofo : mitaraina noho ny fampiatoana ny zotra ireo mpamily

0
Velon-taraina ireo manao fitateram-bahoaka amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly any amin’ny faritra Analanjorofo. Antony, nanantanteraka tao anatin’ny 10 andro mahery ny fihobohana izy ireo ary nampiato ny zotra rehetra.

Fanamboarana fahitalavitra efa tranainy : olana ny piesy

0
Mbola hita eny amin’ny mpanamboatra fahitalavitra ireo fahitalavitra efa tranainy saingy vitsy. Vitan’ireo mpanamboatra ny mamelona izy ireny indray ary miankina betsaka amin’ny fisian’ny piesy maromaro akambana izany.