Archives quotidiennes: 21 avril 2020

30 andro nihibohana : niatraika tamin’ny toekarena sy sosialy

0
Niteraka fatiantoka sy olana teo amin’ny lafiny toekarena, sosialy, fampianarana ny 30 andro nanaovana ny fihibohana amin’ny ampahany ho an’ny faritra voakasiky ny Covid-19 eto Madagasikara. Tao anatin’izay fe-potoana izay, fepetra maro no noraisin’ny fitondram-panjakana hiatrehana ny valan’aretina. Nahatratra hatramin’ny 444,10 Tapitrisa Dolara kosa ny famatsim-bola nositrahana, izay ny ampahany betsaka amin’io, entina hiadiana amin’ny Coronavirus.

Covid Organics : nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Navoaka tamin'ny fomba ofisialy androany tetsy amin'ny foiben'ny IMRA na ny Institut Malgache de Recherche Appliquer etsy Avarabohitra Itaosy ilay fanafody « Covid Organics » entina hitsaboana ny valan'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Nanatrika izany tany an-toerana ny filohampirenena Rajoelina Andry, notronin'ireo olo manan-kaja maro. Hozaraina mamaim-poana ho an'ny vahoaka Malagasy ity fanafody ity ho entina hiarovana ny vahoaka Malagasy.

Fiverenana an-tsekoly : miankina amin’ny raiamandreny ny fampisotroana ny « covid organics »

0
Efa miomana amin’ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny famerenana ny fampianarana ho an’ny kilasim-panadinana ny sekoly eto andrenivohitra nanomboka androany. Raha milamina ny fanarahana ny fepetra amin’ny ankapobeny, isany nahazoana tsikera avy amin’ny talen-tsekoly ny fampisotroana ny COVID ORGANICS. Ity farany izay tsy maintsy ilaina ny fahazoan-dalana avy amin’ny raiamandreny.

Fitaterana : fiara karetsaka maro no nanomboka niasa androany

0
Raha ny alarobia ho avy izao no tokony hiverina hiasa ny fiara fitateram-bahoaka sy ny fiara karetsaka, efa maro no nitatitr’olona androany indrindra ny Taxi. Mbola vitsy ny mpandeha raha ny fanazavana ary saika ireo mpanjifa efa mahazatra azy ireo no betsaka.