vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 avril 2020

The Voice : nifarana teo amin’ny manasa-dalana ny dian’i Ludysoa sy Nathan

0
Tapitra teo amin’ny manasa-dalana ny dian’nizy mianadahy ao Ludysoa sy Nathan tao anatin’ilay fifaninana The Voice. Na izany tsara ny ezaka sy ny vokatra azo ary nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ny zava-bitan’izy roa mianadahy ireto. Vonony hiara-hiasa amin’izy ireo i Pascal izay mpanazatra azy raha ny nambarany.

Mpivarotra Ampasika : misy olona mikasa hanakorontana

0
Milamina ny toe-draharaha eo Ampasika taorian’ny fifandonana teo amin’ireo mpivarotra sy ny mpitandro filaminana omaly. Tsy nisy olona voasambotra , tsy nisy naratra na teo aza ny fisian’ireo andian’olona nikasa hanakorontana. 

Nosy Be Hell Ville : sarona ny tambazotra mpamaky trano

0
Saron’ny Zandary ao Hell Ville – Nosy Be ny tambazotra mpamaky trano mampitaraina ny mponna ao an-toerana amin’izao fiatrehana ny ady amin’ny Coronavirus izao. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ireo olona tsara sitrapo no nahafahana nahatratra azy ireo.

Fiangonana nivoha androany : nanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana

0
Nanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana hitandrovana ny fipariahan’ny valan’aretina Coronavirus ireo fiangonana nivoha androany. Ho an’ny FJKM Firavahana Fitiavana nanaovana fanadihadiana, fidirana in-efatra no notanterahana.

Bazar Ambonara – Nosy Be : naiditra anatiny avokoa ireo mpivarotra

0
Tsy ekena intsony ny fisian’ireo mpivarotra ivelany. Araka izany, naiditra anatin’ny tsena avokoa ireo mpivarotra manodidina ny 200 teo ivelan’ny Bazar Ambonara Nosy Be taorian’ny fanadiovana sy ny fandrarahana ranom-panafody ny tsena. Tanjona ny fanatsarana sy fanomezana endrika ny tanàna hoy ny eo anivon’ny kaominina.