vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 28 avril 2020

Fihibohana : mahatratra 40 ny raharaha eo anivon’ny « Direction de la Police Judiciaire »

0
Nitombo ireo raharaha voarain’ny « Direction de la police judiciaire » eo anivon’ny zandarimariam-pirenena tato anatin’ny iray volana. 40 izany ankehitriny ary ny 6 amin’ireo, fampidirana am-ponja vonjimaika.

Fampianarana : niverina nianatra androany ny kilasy faha-5

0
Nanomboka androany ny fiverenan’ny fampianarana ho an’ny Kilasy faha-5 taorian’ny fiatona vokatry ny Covid-19. Voahaja ny fepetra napetraky ny fitondrana hifehezana ny valan’aretina amin’ny ankapobeny. Isany mbola andrasana ankilany ny COVID ORGANICS hanamafisana ny fiarovana ho an’ny mpianatra na izany ho an’ny sekoly tsy miankina na ny katolika.

Hazo sarobidy : mihoatry ny 50 isan’andro no miditra ao Ambatondrazaka

0
Voamboana na Palissandre mihoatry ny 50 isan’andro avy any amin’ny ala Atsinanana no miditra ao Ambatondrazaka. Lolohavina ary mandeha an-tongotra 2 andro sy 2 alina ireo andian’olona maromaro mitatitra ireo hazo ireo, ary misy aza mitondra vohoka. Amidy 6 alina hatramin’ny 8 Alina Ariary miankina amin’ny refiny raha toa ka vidiana 5000 Ariary no ividianana azy any anaty ala.

Kianja Barea : tara 1 volana ny asa

0
Misy fahatarany 1 volana ny asa fanamboarana ny andiany voalohany ny kianjan’ny Barean’i Madagasikara. Antony, mbola misy ireo fitaovana sy teknisiana sinoa andrasana. Nambaran’ny tomponandraikitra fa izay asa vita no handraisana ny fankalazana ny 26 jona, fiverenan’ny fahaleovantena.

Tetikasan’ny Filoham-pirenena : hitohy aorian’ny fihibohana hoy ny tomponandraikitra

0
Hitohy ny fanatanterahana ireo tetikasa efa nampanantenain’ny filoham-pirenena manerana ny nosy hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fiadidinan’ny repoblika misahana ny tetikasa. Miankina amin’ny fotoana hahafehezana ny valan’aretina coronavirus ny fitohizan’izany raha ny fanazavana.

« Travail d’intérêt général »: nihatra nanomboka androny ilay fepetra

0
Efa nihatra nanomboka androny ilay fepetra napetraky ny fitondram-panjakana manolonana ireo olona izay tratra tsy manao aro-vava raha ny hita teny rehetra teny. Tsy mbola misy anefa ny lalàna miresaka ny atao hoe « travail d’intérêt général » raha ny eto Madagasikara.