Archives quotidiennes: 10 juin 2020

RAZAIHARIMANANA Nathalie : maro ireo efa nanampy azy sy ny ankohonany

0
Maro ireo namaly ny antson’i RAZAIHARIMANANA Nathalie, izay renim-pianakaviana malemy vokatry ny aretina mahazo azy. Nisy androany ireo tonga nitondra izay voatsirambin’ny tanana, entina hanampiana azy sy ny ankohonany, tao koa ny nandray an-tanana ny fitsaboana.

Toerana fanaovana « tatouage » : tsy nihena ny mpanjifa, nampitombona ny fiarovana

0
Tsy nisy fihenana ny mpanjifa amin’ireo toerana fanaovana  tatouage na eo aza ny fisian’ny valan’aretina coronavirus. Nampitomboana fepetra noraisina sy ny fiarovana raha ny nambaran’ny mpisehatra amin’izany nanaovana fanadihadiana.

Fankalazana ny 26 Jona : hiavaka tsy toy ny mahazatra ny eto Antananarivo

0
Tsy ho azon’ny rehetra atrehina ny matso lehibe tanterahina eny Analakely ny faha 26 ny volana Joana hankalzana ny fetim-pirenena noho ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus, amin’ny fahitalavitra avokoa ny rehetra no manaraka izany raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny EMMO-NAT androany. Foana ihany koa ny fitondrana arendrina ary tsy misy afomanga mandritra ny fankalazana.

Centre d’Immatriculation de Madagascar : hiverina hisokatra manomboka rahampitso

0
Hiverina hisokatra manomboka rahampitso ireo Centre d’Immatriculation de Madagascar rehetra manerana ny Nosy rehefa nikatona nandritra ny 2 volana mahery. Ireo antontan-taratasy efa eo am-pelatanana no hikirakirana ao anatin’izany ary ferana ho 50 isan’andro ny olona raisina noho ny fisian’ny valan’aretina eto amintsika.

Solika : nohamafisin’ireo tompon’adraikitra fa tsy hidina ny vidiny

0
Nohamafisin’ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo nandritra ny fihaonana teny amin’ny  Antenimierandoholona androany fa tsy hidina ny vidin’ny Solika.   Maro hoy izy ny  hetra takiana amin’ny vidin’ny solika.