Archives quotidiennes: 11 juin 2020

Fomba fiasan’ny Solombavambahoaka : mampametra-panontaniana ny maro

0
Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny fomba fihetsik’ireo Solombavambahoaka androany ny amin’ny fanemorana ny fananganana ilay kaomisionina manokana handinika ireo antontan-taratasy hanenjehana ireo olona ambony teto amin’ny firenena, izay voarohirohy tamina kolikoly sy tsy fanarahan-dalàna. Tsy fantatra mazava ny anton’ity fanapahan-kevitra noraisin’ireo maro an’isa androany ity.

Fifidianana solontena eny amin’ny CENI : nihemotra amin’ny fotoana manaraka

0
Nahemotra amin’ny fotoana manaraka izay tsy mbola voafaritra ny fifidianana izay ho solontenan’ny Antenimierampirenena eo anivon’ny CENI izay saika hotontosaina androany teny amin’ny CCI Ivato. Nohon’ny fangatahan’ny vondrona parlemantera IRD sy ny GPR ka nandraisan’ireo Solombavambahoaka fanapahan-kevitra no anton’ny fihemorana.

Tchad : nahazom-bokatra tsara ny CVO avy aty Madagasikara

0
Nahazom-bokatra tsara amin’ny fitsaboana ny valan’aretina Coronavirus ny covid organicstany Tchad ka niverina naka indray izy ireo tamin’ity androany ity teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. HIsy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta amin’ilay« troisième protocole », ny fampiasana ny injection.

Filohan’ny Antenimierampirenena : misy mikonokonona hanala azy

0
Vonona hiala amin’ny toerany amin’ny maha filohan’Antenimierampirenena azy i RAZANAMAHASOA Christine raha misy ny fangatahana ataon’ireo Solombavambahoaka mahakasika izany raha ny nambarany androany. Ny fanesorana amin’ny toerana ny filohan’Antenimierampirenena izay ahenoana feo mandeha eny anivon’ny Antenimiera.

TPME : afaka misitraka fampindramam-bola amin’ny alalan’ny « Miarina »

0
Manoloana ny krizy eny anivon’ny orinasa tsy miankina, napetraka ny fampindramam-bola Miarina entina hanampiana ny TPME na ny Très Petites Entreprises et Petites et Moyennes Entreprises. Ireo mampiasa vola latsaky ny 5 miliara Ariary no afaka misitraka izany. Io hatreto ny vahaolana naroson’ny fitondram-panjakana taorian’ny antso nataon’ny mpandraharaha ho fanohanana azy ireo.