vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 12 juin 2020

RAZAIHARIMANANA Nathalie : natao androany ny fitiliana ny aretina mahazo azy

0
Notanterahana androany ny fitiliana an’i RAZAIHARIMANANA Nathalie hahafantarana ny aretina mahazo azy. Fanaovana fitiliana, izay vokatry ny fifanampian’ireo malagasy tsara sitrapo, nahafantarana fa azo tsaboina tsara izy araka ny nambaran’ny mpitsabo.

Mpitatitra zotra nasionaly – rezionaly : hitohy ny hetsika raha tsy mivaly ny fitakiana

0
Hanohy ny hetsika ireo mpitatitra amin’ny zotra nasioany sy rezionaly mandra-pivalin’ny fitakian’izy ireo. Fototry ny fitakiana, ny hanokafana ireo lalam-pirenena hahafahan’izy ireo mitatitra olona na ny hanampiana azy ireo amin’izao fihibohana izao.

Fiatrehana ny Covid-19 : ampy ny fitaovana, hoy ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana

0
Ampy hiatrehana ny valan’aretina covid-19 ny fitaovana eo ampelatanana raha ny nambaran’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana androany raha nanao tatitra teo anatrehan’ireo loholon’i Madagasikara izy. Aoka izay hoy izy ny fanaparitahana vaovao tsy mari-pototra izay manakorontana saim-bahoaka.

Raharaha ‘Bonbon sucettes’ : misokatra ny fanadihadiana

0
Nanomboka tamin’ity herinandro ity no nanokatra fanadihadiana mahakasika ny raharaha Bonbon Sucettes ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena raha ny nambaran’ny minisitra mpisolo toerana androany. Miandry fankatoavan’ny governemanta kosa ankilany ny datin’ny fanadinam-panjakana izay efa natolotr’izy ireo.