vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 juin 2020

Fihitaran’ny ora fiasan’ny taxi-be : mampitombo ny vola miditra amin’izy ireo

0
Raha manodidina ny telo alina ariary ny vola niditra tamin’ireo fiara mpitatitra eto an-drenivohitra nandritra ny famerana ny ora fiasan’izy ireo ho tamin’ny 3 ora tolakandro sy tamin’ny 5 ora hariva, andrasan’izy ireo ho tafiakatra hatrany amin’ny dimy alina ariary izany amin’izao fisian’ny fandaminana vaovao mamela ireo mpitatitra hiasa hatramin’ny 7 ora hariva izao. Na izany aza, mbola mahatsiaro ho matiantoka ihany ireo mpitatitra.

COVID-19 : tsy maharaka ny fitiliana tokony ho atao ho an’ireo voafonja

0
Misy fahatarany ary tsy maharaka ny fanaovana fitilina ho an’ireo olona voafonja vaovao hoy ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja androany. Nandraisana fepetra manokana ankilany ireo voafonja mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus mba tsy hiparitahan’izany amin’ireo voafonja hafa.

PADEVE sy ny fotodrafitrasa hafa ao Toliara : mizotra araky ny tokony ho izy ny asa

0
Isan’ireo misitraka ny tetikasa PADEV na ny Programme d’appui au Développement de Ville Equilibre i Toliara. Androany nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa fananganana fotodrafitrasa samihafa sy nijery ny fanarahana ireo toromarika ara-pahasalamana hisorohana ny coronavirus, ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy niaraka tamin’ny mpamatsy vola AFD na ny Agence Française de développement ary ny masoivoho Frantsay. Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara hatrany ny masoivoho Frantsay nandritra io.

« Plan Marshall »: hitera-bokatsoa ho an’ny faritra 22

0
Hitera-bokatsoa ho an’ny faritra 22 eto Madagasikara ny fametrahan’ny fitondram-panjakana ny « Plan Marshall » hanarenana ny lafiny ara-toekarena. Andrasana ankilany ny fanendrena ireo governoram-paritra ho an’ireo faritra tsy mbola manana izany mba tsy hampitanila ny fampandrosoana.

Famakiana ny LFR : hanamora kokoa izany ny tatitra nataon’ny governemanta androany

0
Hanamora kokoa ny famakiana ny LFR na ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020 ny fanaovan’ny governemanta ny Tatitra mahakasika ny fandaharan’asa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana izay natao teny amin’ny Antenimierampirenena androany hoy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Miezaka manohy ny asany hatrany ny mpitondra fankana sy ny governemanta na eo aza ny feo aley etsy sy eroa mahakasika ny fiainana politika.