Archives quotidiennes: 18 juin 2020

Volavolan-dalàna momba ny toaka gasy : andrasana ny fanapahan-kevitr’ireo Loholona

0
Andraikitr’ireo minisitera voakasika amin’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy ny varotra ny fanamafisana ny fepetra sy ny  fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna taorian’ny fahalanian’ilay volovolan-dalàna momba ny toaka gasy teny anivon’ny Antenimierampirenena omaly raha ny fanazavan’ny solombavambahoaka androany.

Mpandraharaha tsy miankina : nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha

0
Tontosa androany teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonana teo amin’ny Filoha Andry RAJOELINA notronin'ireo mpikambana avy eo anivon'ny governemanta niaraka tamin' ireo mpandraharaha eo anivon’ny sehatra tsy miankina. Nibahan-toerana nandritra ny fihaonana ny tokony hanalefahana ny hetra tokony ho aloan'ireo mpandraharaha. Hapetrakin'ny fitondram-panjakana hamahana ny olana iainan'ny fandraharahana ankilany ny Plans Multisectoriel d'Urgence na ny Drafitra marolafy hiatrehana ny toekarena

Fanamboaran-dalana : manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana avokoa ireo miasa

0
Tahaky ny fanatanterahana fanamboarana fotodrafitrasa sahanin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy any amin’ny faritra maro ; tsy maintsy manaraka ireo fitsipika ara-pahasalamana hisorohana ny fipariahan’ny coronavirus ihany koa ireo manantanteraka asa eto Antananarivo sy ny manodidina. Androany nidina nanara-maso ny fanajan’ny orinasa sy ny mpiasa izany ny DRATP Analamanga. Ankoatra izay  arahi-maso ihany koa ny fanajana ny kalitaon’ny asa anaty fifanarahana.

« Marquage au sol » : manomboka androany ny asa famerenana azy ireny eto andrenivohitra

0
Manomboka androany ny asa famerenana ireo tsipika mandry na ny « marquage au sol »  izay ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Faritra maro no voakasika amin’izany, ka hisy ny fahatampahan-dalana mandritra ny fanatanterahana ny asa. 

LFR 2020 : hatolotra ho lanian’ny Antenimierampirenena ny zoma ho avy izao

0
Atolotra ho lanian’ny Antenimierampirenena eny amin’ny CCI Ivato ny zoma ho avy izao ny LFR na ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020. Ny LFR izay nahitana fiovana betsaka raha mitaha amin’ny LFI noho ny ady atrehin’ny firenena amin’ny fiparitahan’ny CORONAVIRUS sy ny fiantraikan’izany amin’ny fidiram-bola sy ny fahafahana mamokatra.