vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 19 juin 2020

MATP/SAMVA/CUA/APIPA : nisitraka fiara tsy mataho-dalana amin’ny alalan’ny tetikasa PIAA

0
Nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho an’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny SAMVA ary ny APIPA ny firenena frantsay sy ny Vondrona Eropeanina, amin’ny alalan’ny Tetikasa Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo (PIAA). Natao hanamafisana ny fanaraha-maso ireo asa fanadiovana ny fotodrafitrasa mikasika ny fivoahan-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ireo fiara ireo.

Ozinina mpamokatra fanafody : efa tonga androany ireo fitaovana

0
Nigadona teny amin’ny Seranam- piaramanidina  ivato androany ireo fitaovanana nafarana hampiasana  amin’ilay ozinina mpamokatra fanafody. Tsy hijanona kosa ny famokarana ny tambavy covid organics hoy hatrany ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fitsenana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ireo teny an-toerana. 

Toamasina : nanao hetsika fanairana hijerena akaiky azy ireo ny marary

0
Niverina nanao fitakiana fanin-droany androany maraina ireo olona voan'ny Coronavirus tsaboina ao Toamasina. Mitarazoka ny fivoahan'ny valin'ny fitiliana farany izay natao tamin'izy ireo, izay no anton'ny fihetsiketsehana.

Fanorenana tsy ara-dalàna manamorona ny ranon’Ikopa : hiroso amin’ny fanesorana ny tomponandraikitra

0
Ahiana hitera-doza ny fanorenana tsy ara-dalàna maro manamorona ny ranon'Ikopa. Nanambara ny teo anivon’ny DRATP Analamanga sy ny APIPA androany fa tsy maintsy hirosoana ny fanalana ireo trano miorina eny ireo. Androany, nijery ny zava-misy teny Tanjombato mikasika izany ireo  tomponandraikitra samihafa.

Toaka gasy : matanjaka ny tambazotra, ny sarangan’olona rehetra no mpanjifa

0
Matanjaka ny tambazotra ao anatin’ny famokarana sy ny fivarotana Toaka gasy ary ny sarangan’olona rehetra no manjifa izany araka ny fijoroana vavolombelona nataona lehilahy iray izay nisehatra tamin’izany nandritra ny 25 taona nanaiky niresaka tamin’ny mpanao gazety. Efa ela no niandrasana ny ampanarahan-dalàna ity sehatra ity raha ny fanazavany.