Archives quotidiennes: 24 juin 2020

67 Ha Atsimo : tsy voafehy ny firehetana noho ny fahateren’ny lalana

0
Tsy voaisa ny isan’ireo trano may vokatry ny firehetana teny amin’ny 67 Ha, atsimon’ny Vatobe ny hariva teo. Nanomboka tamin’ny 4 ora ny firehetana ary tamin’ny 6 ora sy sasany nialan’ny mpanao gazety teny an-toerana, tsy mbola voafehy ny afo. Isan’ny mampiitatra ny afo ny maha trano hazo ny ao an-toerana sy ny fahasarotan’ny lalana ka tsy nahatafiditra ireo sampana mpamonjy voina.

« Hôteliers et Restaurateurs » : 90% n’ireo mpiasa no nalefa chômage technique

0
90% n’ireo mpiasa misehatra amin’ny tontolon’ny fandraisam-bahiny sy ny sakafo no voatery niditra amin’ny chômage technique vokatry ny fipariahan’ny valanaretina covid-19. Amin’izao volana Jona izao, tsy misy intsony ny enti-manana ho an’ireo mpandraharaha amin’izay sehatra izay. Ankoatry ny fanalefahana ara-ketra sy fanemorana ny fandoavana ireo charges fixes , miandrandra fanampiana avy amin’ny fanjakana ihany koa ireo mpiasa lasa chômage technique.

OMS : manohana ny fanjakana amin’ny ady atao amin’ny Covid-19

0
Dingana lehibe amin’ny ady atao amin’ny ny valan’aretina Coronavirus eto Madagasikara ny nitokananana ny laboratoire d’Analyses medicales malagasy raha ny nambaran’ny solontenan’ny OMS miasa eto Madagasikara. Araka izany miara-miasa akaiky amin’ny fitondram-panjakana ny eo anivon’ny OMS manolohana ny fiarovana ny malagasy mikasika ity valan’aretina ity.

« LA2M » Androhibe : notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Notokanan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara androany ny toeram-pitiliana Malagasy « LA2M » na ny « Laboratoire d’Analyse  Médicales Malagasy » etsy Androhibe. Ity laboratoara vaovao ity izay ilaina amin’ny ady atao amin’ny Coronavirus ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fitaovana rehetra ao anatiny. Mahavita fitiliana mihoatra ny 7.00 isan’andro ity laboratoara ity ary maimaim-poana ny fanaovana izany.

Fotodrafitrasa : hanafaingana ny asa ny fandanian’ny Antenimiera ny LFR 2020

0
Tsy hijanona ho fampanantenana ny fotodrafitrasa, ny fampitaovana sy ny tetikasa samihafa hanafainganana ny fampandrosoana ny firenena. Voarakitra anatin’ny volavolan-dalàna mahakasika ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020 avokoa izany, hoy ny praiminisitra nanoloana ny Loholona androany. Hanampy amin’ny fampandehanan-draharaha ankapobeny ihany koa ny fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, indrindra anatin’ny hamehana ara-pahasalamana.

Coronavirus : nitombo ny isan’ireo voafonja arahi-maso ao Toamasina

0
Nitombo ny isan’ireo olona arahimaso vokatry ny valan’aretina Coronavirus ao amin’ny fonjaben’i Toamasina amin’izao fotoana izao. Feno hipoka tanteraka ireo efitrano rehetra ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy. Nandray ireo fitaovana entina hiadiana amin’ny valan’aretina Coronavirus avy amin’ny firenena mikambana ny ministeran’ny fitsarana androany.

Fiakaran’ny faktioran’ny JIRAMA : 50 ireo mpiasa voarohirohy

0
Miisa 50 ireo mpiasan’ny JIRAMA voarohirohy amin’ny fiakaran’ny faktiora voarain’ireo mpanjifa maro eto Andrenivohitra. Efa misy ny fepetra noraisina manoloana izany hoy ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA androany ary  misy ny fihenam-bidy natao amin’ny tarif 14. 

Antananarivo : hamafisina ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana

0
Hamafisina ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana eto Antananarivo manoloana ny firongatry ny valan’aretina Coronavirus. Averina ary hamafisina ny fanaovana ny asa ho an’ny daholobe ho an’izay tratra raha ny fanazavan’ny mpandrindra eo anivon’ny CCO Covid-19.