Archives quotidiennes: 26 juin 2020

Antoko MMM : nanolotra fanampiana ny traboina teny Adohatapenaka I

0
Nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina vokatry hai-trano teny Andohatapenaka I ny Antoko Malagasy Miara-Miainga androany. Tsy nadinoin’izy ireo ihany koa ny zokiolina sy renim-pianakaviana manani-teny teny anivon’ny Boriboritany voalohany.

Antoko Malagasy Miara-Miainga : nanolotra fanampiana ho an’ireo mpikambana sy ireo zokiolona

0
Nanolotra fanampiana ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny Antoko Malagasy miara-miainga tao amin’ny distrikan’Atsimondrano androany ity antoko politika ity. Ankoatra ireo mpikambana, tsy diso anjara ihany koa ireo zokiolona. Hetsika iay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-60 niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Antenimierandoholona : mitohy ny asan’ireo vaomiera manokana

0
Nankatoavin’ireo Loholon’i Madagasikara hanohy ny asa iandreketany ireo mpikambana ao anatin’ny Commission Spéciale  chargée d’une demande de levée d’Immunité Parlementaire eo anivon’ny Antenimierandoholona. Ny asa iandreketan’ity kaomisionina ity izay manan-danja eo anivon’ny fanatanterahana ny asan’ireo Loholona.

FTAR : mangataka ny fametra-pialan’ny Filohany ny mpikambana

0
Mangataka ny fametra-pialan’ny Filohan’ny FTAR ny mpikambana anatin’io Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra io araka ny fanambarana androany. Tsy mifanaraka amin’ny fitsipika anatin’ny fikambanana ny fanapahakevitra noraisin’ny filohan’ny FTAR hatrizay. Manakana ny fanatsarana ny tontolon’ny Taxi haroson’ny kaominina ihany koa ny filohan’ny FTAR. Hamory ny mpikambana ny  filohan’ny FTAR ary handray fanapahakevitra amin’izay namoaka fanambarana raha ny fanazavana azo.

SAMI Andria : ny hiroso amin’ny tsara kokoa hatrany no tanjona

0
Pejin’ny fanatanjahan-tena. SAMI ANDRIA RIDER VELO TRIAL ao Antsirabe, isan’ireo sahy miakatra eny ambon’ny toerana Avo indrindra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny Velo TRIAL. In-dimy nandrombaka ny tompondakan’I Madagasikara.  Izy indray no ho entin’I mpanao gazetin’ny KOLO ao Antsirabe aminao ato anatin’ity fanadihadiana manaraka ity. 

Fikambana tsy miankina : nanome fanampiana ho an’ireo mponina etsy la Réunion kely

0
Nanolotra fanomezana ho an’ireo mponina etsy “la réunion kely” androany ny fikambanana tsy miankina iray eto an-drenivohitra. Natao izany ho fanampiana ireo mponina eny an-toerana amin’izao fanamarihana ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovantena izao.