Archives quotidiennes: 29 juin 2020

Traboina

0
10 hatramin’ny 15 andro ny fepotoana tokony hijanonan’ireo traboina vokatry ny hai-trano teny Anohatapenaka voalohany etsy amin’ny kianjan’ny Havana 67 Ha hoy ny teo anivon’ny BNGRC. Tsy azon’izy ireo atao intsony ankilany ny fanorenena trano hazo hisorohana ny fahamaizana toy izao. Miantso ny tomponandraikitra hijery azy manoloana io ireo traboina an’arivony izay milaza ho tsy manana hosarangotina intsony taorian’ny fahamaizana nitranga.

Mpiasam-panjakana

0
Namoaka fanambarana ny ministeran’ny asa, ny fampananan’asa , ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy androany fa mijanona avy hatrany amin’ny asa an’ireo mpiasam-panjakana marefo ara-pahasalamana . Tafiditra anatin’ny fepetra miaraka amin’ny  fahamehana ara-pahasalamana izao raha ny naoty nivoaka androany. 

MAE Communiqué

0
Nahazo fanohanana avy amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC I Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy Glorieuses, Juan de Nova , Europa ary  Bassas da India.  Fanohanana amin’ny fanantanterahana ireo fehin-kevitra nivoitra nandritry ny filankevitry ny minisitry ny OUA fa anatin’ny sisintanin’i Madagasikara ireo nosy ireo. 

Conseil des ministres

0
Mitohy ao anatin’ny 15 andro indray ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara nanomboka omaly 27 jona 2020. Izay no tapaka tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra notontosaina omaly.