vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 7 octobre 2020

Fitrandrahana tsy ara-dalàna : miantso ny fitsarana handray ny andraikiny ny AVG

0
Mirongatra hatrany ny fandripahana ala tsy ara-dalàna sy ny doro-tanety anaty sy ivelan’ny valanjavaboahary eto Madagasikara. Isany tena lasibatra ny ao Ankarafantsika sy Ambatondrazaka. Tsy mifanaraka amin’izay ankilany ny fampiharan-dalàna hoy ny teo anivon’ny ALLIANCE VOARY GASY ka antony hanaovany antso avo, indrindra amin’ny miniteran’ny fitsarana.

Fanaovana kolikoly : mpikambana eo anivon’ny governemanta iray no voasaringotra

0
Antontan-taratasy miisa 40 maha voasaringotra tomponandraiki-panjakana ho nanao kolikoly no nalefan'ny teo anivon'ny Bianco eny anivon'ny fitsarana amin'izao fotoana izao. Mpikambana eo anivon'ny governemanta ny iray tamin'ireo. Ireo raharaha ireo izay teo anelanelan'ny volana Aprily sy volana Jona lasa teo.

Fitaterana : nanomboka androany ny “opération taxi-moto” teto an-drenivohitra

0
Nanatanteraka hetsika hiadiana amin’ny “taxi-moto” sy ireo “taxi clandestin” mitatitra olona an-tsokosoko eto an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo sy ny Comité stratégique. Hamongorana ny sehatra tsy ara-dalàna no tanjona sy anton’izao fanadiona izao raha ny fanazavana.

Tombana ara-tontolo iainana : hatsaraina ny fomba fanatanterahana azy

0
Hatsaraina ny fomba fanaovana ny tombana ara-tontolo iainana eto Madagasikara. Izay ny votoatin’ny atrikasa Niarahan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny USAID HAY TAO. Isany hojerena manokana ny ACCEPTABILITE SOCIALE na ny faneken’ny fiarahamonina ny tetikasa na fitrandrahana amin’ny sehatra maro tsy ahatongavana amin’ny disadisa na olana isantokony.

Fifidianana loholona : 02 hatreto no nametraka antotan-taratasy manerana ny Nosy

0
02 hatreto no kandida ho loholon’i Madagasikara nametraka ny antotan-taratasy teny anivon’ny Ovec raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Ceni Foibe androany. Mety hiteraka olana ho an’ireo kandidà ny fiandrasana ny andro farany raha misy tsy tomombana ireo antotan-taratasy raha ny fanazavana hatrany

Mpiasam-panjakana : homena « prime na promotion » izay mazoto hiasa amin’ireo toerana lavitra

0
Homena prime na promotion ireo mpiasam-panjakana manolo-tena hiasa amin'ireo toerana lavitr'andriana hoy ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara. Ankoatr'izay, homena trano fonenana manaraka ny toetrandro izy ireo hahafahany manara-baovao sy mamita tsara an-tsakany sy an-davany ny asany. Tanjona ny hampandroso ny firenena amin'ny fanjakana manakaiky vahoaka.

RN44 : mizotra araky ny tokony ho izy ny asa fanamboarana

0
25% ny asa fanamboarana amin’ny RN44 Marovoay (Moramanga ) mankany Amboasary no  vita ankehitriny. Raha toa ka nisy  fotoana niato ny asa nohon’ny Covid-19, amin’izao fotoana izao, efa mizotra araky ny tokony ho izy izany ary tsy hiato intsony rana ny fanazavana.

Fanaovana « Phoning » : afaka manao amin’izay ny haino vaky jery rehetra

0
Malalaka amin’ny fanaovana Phoning na ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny antso an-taribia manomboka izao amin’ireo haino aman-jery rehetra erak’i Madagasikara raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny sersera mpisolo toerana androany. Na izany, mbola mampita ny vaovao mahakasika ny tarehimarika momban’ny COVID-19 avokoa ny haino vaky jery tsirairay avy.

VMMM : nivarotra fitaovam-pianarana tamin’ny vidiny mirary teny Ambohimanambola

0
Teny amin’ny kaominina Ambohimanambola androany no nanatanterahan’ny Fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanalefahana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fampidirana mpianatra izao hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny VMMM.