vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 13 octobre 2020

Fifidianana loholona : androany vao nanatitra antotan-taratasy ny teto Antananarivo

0
Tafapetraka androany ny firotsahan-kofidian'ny lisitra kandidà ho loholon'ny Madagasikara eto amin'ny faritanin'Antananarivo natolotry ny vovonana IRD. Herminana RAZANAMAHEFA no mitarika ny lisitra, kandidà faharoa kosa ny I Sylvain RABETSAROANA, loholona teo aloha.

JAOJOBY : notolorana mari-boninahitra « commandeur de l’ordre national »

0
Notolorana ny mari-boninahitra commandeur de l’ordre nasionale ny mpanakanto jaojoby. Ny fanandratana ny gadona ahafantarana an’i Madagasikara ho fantatra maneran-nay no isann’y antony nanolorana azy ny mari-boninahitra raha ny fanazavana.

Sekolim-panjakana : tsy misy ny vola aloa amin’ity taom-pianarana 2020 -2021 ity

0
Nanamafy ny minisitry ny fampianarana amin’ny tsy fisian’ny vola aloan’ny ray aman-dreny mandritry ny fidiran’ny mpianatra amin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity eny amin’ireo sekolim-panjakana.Etsy ankilany, samy isitraka ny fanavaozana isan’isany ireo sekoly isaky ny faritra sy distrika eto Madagasikara.

Antoko MMM : fandalàna ny Demokrasia ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana

0
Fanohanana ny filoham-pirenena amin’ny fampandrosoana ny firenena sy fandalàna ny fitsinjaram-pahefana no antony nandrotsahan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga kandidà ho Loholon’i Madagasikara. Izay no novoitra nandritra ny fotoana nampahafantarana ireo kandidan’ity antoko ity tamin’ireo mpifidy lehibe mpiara-dia amin’ny Antoko MMM androany teny amin’ny foibe toerany eny Ankerana.

Antoko Malagasy Miara-Miainga : nanolotra kandida Loholona teto Antananarivo

0
Tafapetraka androany teny amin’ny Ovec Nanisana ny taratasy firon-tsahan-kofidian’ny kandida ho loholon’i Madagasikara avy amin’ny Antoko Malagasy Miara- Miainga, ka i RAKOTONDRAINIBE Michel no lohalisitra amin’izany. Laharam-pahamehana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy hoy ity kandida ity.

Andry RAJOELINA : hafainganina ny fametrahana ny faritra faha 23

0
Hafainganina hoy ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fametrahana ny faritra faha 23 ao Mananjary. Araka izany, ho dinihina ao anaty filankevitry ny minisitra ny alarobia ho avy izao ny volavolan-dalàna mahakasika izany ka hatolotra ny Antenimiera.

SOAVINA : rongony maina 20 kitapo no nodorana

0
Rongony maina 20 gony no nodorana teo anatrehan'ny mpitandro filaminana sy ny teo anivon'ny solontenan'ny fitsarana androany maraina teo anivon'ny Commissariat de Police – Soavina, Distrikan'Atsimondrano. Ireto rongony ireto izay tra-tehaky ny polisim-pirenena Soavina sy ny Andrimasom-pokonolona ny herinandro lasa teo.

Fifidianana loholona : androany vao nanatitra antotan-taratasy ny teto Antananarivo

0
Tafapetraka androany ny firotsahan-kofidian'ny lisitra kandidà ho loholon'ny Madagasikara eto amin'ny faritanin'Antananarivo natolotry ny vovonana IRD. Herminana RAZANAMAHEFA no mitarika ny lisitra, kandidà faharoa kosa ny I Sylvain RABETSAROANA, loholona teo aloha.