Archives quotidiennes: 15 octobre 2020

Mandritsara : nankalaza ny faha 62 taona nahaterahan’ny repoblika voalohany

0
Nankalaza ny faha 62 taona nahaterahan’ny repoblika voalohany ihany koa ny mponina ao amin’ny Distrikan’i Mandritsara. Hetsika maro maneho ny tantaram-pirenena no natao ary tsy hifarana raha tsy ny faha 19 Oktobra ho avy izao.

Fanadiovana lakan-drano : hanomboka ny alatsinainy ho avy izao

0
Fihatrehana ny fahavaratra, hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, ny SAMVA, ny Faritra Analamanga ny sy APIPA. Hanomboka amin’ny Alatsinainy ny asa fanadioavana ireo lakandrano maro any amin’ny Fokontany raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APIPA.

Fanaovana maloto an-kalamanjana : ambony ny taha ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana

0
Ny faritra Atsimo Andrefana no ahitana taha ambony indrindra amin’ny fanaovana Maloto ankalamanjana eto Madagasikara. Manoloana izany, miantso ny fiaraha-mientan’ny hery velona rehetra ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fahadiovana hitady vahaolana maty paika.

Hetra : hanomboka ny fitsirihana eny amin’ny sehatra tsy miankina

0
Filazalazana ara-ketra eny anivon’ny sampandraharahan’ny hetra, raha ny tombana teo anivon’ny DGI na ny Direction dénéral des impots. Miteraka fahabangana lehibe amin’ny fampidiran-ketra eto Madagasikara io. Etsy ankilany, hanomboka ny fitsirihana ara-ketra, raha toa ka niato ohon’ny covid-19 izany teo aloha teo araka ny fanambarana nivoaka omaly.

Repoblika Malagasy voalohany : feno 62 taona androany

0
Notanterahina tao Anahidrano, Antsohihy ny lanonana fametrahana fehezam-boninkazo teo amin'ny fasan'ny Filoha Philibert Tsiranana, filohan’ny Repoblika Malagasy voalohany izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha 62 nahaterahan’ny Repoblika voalohany teto Madagasikara. Hivahiny ao anatin'ny fampahalalam-baovao ny Jeneraly RAMAKAVELO Désiré, hitondra ny fomba fijeriny momba ny "14 oktobra 1958" ity.

PRM Vanille « Vanille givrée » : vanille tsara kalitao maneran-tany vokarina eto Madagasikara

0
Karazana lavanila manana ny mampiavaka azy maneran-tany ny « vanille givrée » izay vokarina eto Madagasikara. Nivohitra nandritra ny fidinana Ifotony natao’ny filoham-pirenena omaly tany Antsohihy ny mikasika ny fampivondronana ireo tantsaha mpamokatra ny lavanila, ho fanatsarana ny vokatra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, indrindra eo amin’ny lafiny kalitao.