vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 22 octobre 2020

Isan’ny mpifidy lehibe : miankina amin’ny fiasan’ny « Conseil d’Etat »

0
Miankina amin’ny fomba fiasan’ny filan-kevi-panjakana na ny Conseil d’Etat ny ho isan’ireo mpifidy lehibe araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CENI androany. Hatreto valim-pitsarana 150 amin’ireo fitoriana manodidina ny 500 no nivaly ka hampidirina ho isan’ny mpifidy lehibe handray anjara amin’ny fifidianana loholona.

Mpitsara : mamparefo ny fahefana ananany ny mahaela azy amin’ny toerana iray

0
Mamparefo ny fahefana ananany ary tsy hahafahany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asany ny fijanonan’ny mpitsara maharitra amin’ny toerana iray, hoy ny eo anivon’ny HCDDED. Na izany aza, tsy azo afindra noho ny didy izay navoakany ary tsy azo anontaniana ny antony namoahany iny didy iny anefa ny mpitsara araka ny voalazan’ny lalam-panorenana sy ny fitsipika mifehy azy ireo.   

Ntsay CHRISTIAN : tsy ekena intsony ny fisian’ny tsy fandriampahalemana

0
Tsy ekena intsony ny hisian’ny distrika ho latsa-danja amin’ny fametrahana fandriampahalemana sy amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny hoy ny Praiministra Lehiben’ny governemanta, nandritra ny fitokanana ny toby “Centre spécial d’aguerrissement opérationnel” tany Beroroha, faritra Atsimo Andrefana. Fitokanana, izay nambarany fa mariky ny firosoana amin’ny paikady entina hampandrosoana sy hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana.