vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 28 octobre 2020

Fanatsarana ny fifandraisana ara-barotra : hamafisina ny fampahafantarana ny BNT

0
Mbola sakana amin’ny fandraharaha ara-barotra indrindra ny atao amin’ny vondrom-barotra rejionaly ny mahakasika ny BNT na ny BARRIERE NON TARIFIAIRE. Vitsy ankilany ny mpandraharaha mahafantatra ny karazana sakana ara-barotra mianjady azy ka tsy ahafahana mandray ny fepetra mifandraika amin’izany. Hamafisina ny fampahafantarana momba izany araka ny nivoitra nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria.

Fotodrafitrasa famatsian-drano : omena toerana manokana amin’ny fitantana ny tsy miankina

0
Nivaona tamin’ny fanamby napetraka ny fitantanan’ny kaominina sy ny fikambanana isan-tokony ny fotodrafitrasam-pamatsian-drano teny ifotony hatrizay. Tsy tafapetrak’izy ireo araka ny tokony ho izy ny maha-sehatra mampidi-bola na SECTEUR PRODUCTIF ny fitantanana ny rano. Hitodika betsaka amin’ny tsy miankina ny minisitera tomponandraikitra manombok’izao ka hojerena avokoa na ny fampiasam-bola na ny fitantanana ny fotodrafitrasam-pamatsian-drano.

Ankazomanga : fiara tsy mataho-dalana iray kilan’ny afo

0
Fiara tsy mataho-dalana iray no may kilan’ny afo tetsy Ankazomanga androany tokony ho tamin’ny 11 ora maraina. Tsy fantatra mazava ny antony nitrangan’ny afo raha ny nambaran’ireo nanatri-maso. Minitra maro taorian’ny firehetana no tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina sainga efa potiky ny afo avokoa na ny anatiny, na ny ivelan’ilay fiara.

Antenimierampirenena : miroso ny asa eo anivon’ny « Commission de mise en accusation »

0
Antontan-taratasy miisa 3 amin’ireo 12 tonga eo ampelatanan’ireo Solombavambahoaka mandrafitra ny kaomisiona misahana ny fiampangana manoloana ny fitsarana avo na ny Commision de mise en accusation no handraisana fankatoavana eo anoloan’ny fivoriana azon’ny be sy ny maro hatrehina ny 17 novambra izao. Tsy maintsy hovitaina ao anatin’ity fotoam-pivoriana ity ireo antontan-taratasy rehetra raha ny nambaran’ny filohan’ny kaomisionina androany.

Père Pedro : 50 taona nanaovana asa soa teto Madagasikara

0
Feno 50 taona ny nanaovan’i père Pedro asa soa teto Madagasikara. Ankehitriny, maherin’ny 25 000 no misitraka ny fanampiana mivantana avy amin’ny Akamasoa ary ankizy manodidina ny 9 000 isa no miditra an-tsekoly. Ny finoana sy ny fitiavana ary ny fiaraha-mientan’ny rehetra no handresena ny fahantrana eto Madagasikara raha ny nambarany.

Import-Export : nisy fiantraikany tamin’ny fanafarana entana ny fanidiana ny sisin-tany

0
Nandritry ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny fikatonan’ny sisin-tany, nahitana fiakarany ny saran’ny fandefasana sy fanafarana entana avy any ivelany. Ho an’ireo mpisehatra amin’izany, tsy nisy fiovana firy ny tahan’ny entana alefa nandritra izay fotoana izay.

HCDDED : nampahafantatra ny momba azy ireo tao Farafangana

0
Taorian’ny fifanakalozana narahina adihevitra teto Antananarivo, nitohy tany amin’ny faritra ny fampahafantarana ny momba ny HCDDED sy ny anto-pisiany. Ho fampanjakana ny tany tan-dalàna sy ny fiarovana ny Zon’olombelona no tanjona araka ny maha filan-kevitra ambony ho an’ny fiarovana ny Demokrasia sy ny tany tan-dalàna azy ireo.