Archives quotidiennes: 31 octobre 2020

PNDU : naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara ireo PTF

0
Notontosaina androany ny fihaonana an-databatra boribory niresahana momba ny PNDU na ny politique de développement urbain, niarahana tamin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy sy ireo mpiara-miombon’antoka PTF na ny Partenaires Techniques Financiers. Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe ny fiaraha-manantontosa ity programan’asa ity, ary naneho ny fahavononany amin’izany ireo PTF.

Filankevi-panjakana : hafainganina ny fitsarana ny fifanolanana momba ny fifidianana kaominaly

0
Tafiakatra 475 hatramin’ny androany ny antontan-taratasin’ady fandravana didim-pitsarana mahakasika ny fifidianana kaominaly tonga teny anivon’ny filankevi-panjakana. Efa namoahana didim-pitsarana avokoa ny 69 %. Tsy maintsy ho faranana ny faha-11 novambra arak’izany ny 31 ho fanatsarana ny lisi-pifidianan’ny mpifidy vaventy.

Antenimierampirenena : misy manozongozona ireo birao maharitra

0
Misy manozongozona ny hanala amin’ny toerany ireo mpikambana ao anatin'ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena amin'izao fotoana izao. Ankilany, tsy mbola nisy fanangonan-tsonia mahakasika izany raha ny nambaran'ny Filoha lefitra androany. Mbola eo ampandinihana mahakasika ilay resaka fisotroan-dronona ankilany ny bé sy ny maro eo anivon’ity andrim-panjakana ity.

Baccalauréat : hivaly ny faha 14 Novambra ho avy izao

0
Ny faha 14 ny volana Novambra ho avy izao no hivaly ny fanadinam-panjakana Baccalauréat hoy ny minisitra tompon’andraikitra androany. Hisy kosa raha ny fanazavana ny fanaovana tatitra amin’ny fomba ofisialy ny isan’ireo tsy nanatrika fanadinana sy tsy maintsy nijanona noho ny antony maro samihafa ary indrindra ireo nanao hosoka na Fraude nandritra ny fiatrehana ny fanadinana.

Trano fiasan’ny MCC – Analakely : nihotsaka, olona 5 naratra

0
Nihotsaka ny rihana faha-2 tao amin’ny biraon’ny Office National des Arts et de la Culture teny amin’ny arcade Analakely ny antoandro teo. Vokany olona 5 no naratra ary tsy maintsy noravana ny ampahan’ny rindrindra hisorohana ny loza mety hitranga indray. Ialana tsiny amin’izay mety ho tohina amin’ny sary