Accueil 2020 octobre

Archives mensuelles: octobre 2020

Fifidianana Loholona : nisokatra ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana

0
Nanomboka androany ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana mandritra ny fifidianana Loholon’i Madagasikara. Tsy mbola nisy ny nametraka ny antontan-taratasy na nangata-panazavana momba izany araka ny fanadihadiana teny anivon’ny ratsamangaikan’ny CENI eny anivon’ny faritany na ny COMMISSION ELECTORALE PROVINCIALE.

Antoko HVM : nanamafy ny tsy handraisana anjara amin’ny fifidianana Loholona

0
Nanamafy ny tsy handraisany anjara amin’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara androany ny antoko HVM araka ny nambaran’ny filohany no sady filohan’ny Antenimierandoholona. Izay no nisongadina nandritra ny tafa manokana nataony tamin’ny mpanao Gazetin’ny Kolo TV.

Alika mirenireny : hatao izay hifehezana azy tsy hitera-doza ho an’ny mponina

0
Hatao izay hifehezana ireny alika mirenireny eto amintsika ireny mba tsy hampidi-doza ny mponina raha misy ny tranga haromotana. Natomboka androany ary haharitra herinandro ny hetsika famosirana alika eny Ambatobe.  Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny andro maneran-tany ho fiadiana amin’ny haromotana.

Fanalan-jaza : tsy ampy ny fanamafisana ny lalàna eto Madagasikara momba izany

0
Tsy mbola azo atao hatreto ary voararan’ny lalàna ny fanalana zaza ho an’ireo vehivavy eto Madagasikara, na efa nisy aza ny faneken’ny firenena malagasy izany tamin’ny alalan’ny protocole de Maputo. Ilaina araka izany ny fanamafisana ny lalàna momba izany, ahafahana miaro ny ain’ireo vehivavy eo ihany koa ny fanatanterahina ny fanalan-jaza ao anaty ny fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana.

Anosy : lehihaly iray sarona niaraka tamina vola sandoka

0
Lehilahy iray no sarona niaraka tamin’ny vola sandoka teny Anosy ny maraina teo. Taitra ilay mpiasan’ny cash point mobile money raha nahita fa sandoka ny vola nalefan’ity lehilahy iray. Nampandre avy hatrany mny mpitandro filaminana izy ary sarona ilay olona rehefa avy nifanenjehana. Mbola nahitana vola sadoka maromaro tany aminy.