vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 6 novembre 2020

Madagasikara : tonga ny Satro-boninahitry ny tatarom-piandrianan’ny mpanjakavavy Ranavalona faha III

0
123 taona aty aoriana, tafaverina amin’i Madagasikara ny Satro-boninahitry ny tatarom-piandrianan’ny mpanjakavavy RANAVALONA Faha-3. Nisy ny lanonana manetriketrika nandraisana izany androany ary napetraka ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana. Ny satro-bonihatry ny tatarom-piandrianan’ny mpanjakavavy RANAVALONA faha-3 izay mariky ny fiandrianam-pirenena.

Fiverenan’ny vakoka : zava-dehibe ho an’ny Malagasy

0
Zava-dehibe ho an’ny tantaram-pirenena ny fiverenan’ny vakoka tahaka izao hoy ny fanehoan-kevitry ny olompirenena nandritra ny fitsenana sy ny fametrahana ny Satro-boninahitry ny Tatarom-piandrianan’ny mpanjakavavy RANAVALONA Faha-3 androany. Mamerina ny ambom-pom-pirenena izany raha ny fanazavana.

« Nouvelle ville »: hatsangana eny Imeritsiatosika

0
Eny Imeritsiatosika no hananganana ilay tetikasan'ny filohan'ny Repoblika « Nouvelle ville Tanamasoandro » na tanàna vaovao raha ny nambaran'ny minisitra lefitra misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana. Mora kokoa ny dingana fanantanterahana izany any an - toerana araka ny fanazavana raha mitaha amin'ny fikasana anangana izany teny Ambohitrimanjaka.

LFI 2021 : 4 165 Lavitrisa Ariary no andrasana amin’ny fampidiran-ketra ny taona ho avy

0
Manodidina ny 4 165 Lavitrisa Ariary ny vola andrasana amin’ny fampidiran-ketra ny taona ho avy araka ny voafaritra anatin’ny lalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Lafin-javatra maro no ilaina fanarenana hanatrarana ny fanamby, hoy ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Tafiditra anatin’izay ny fametrahana ny tetikasa ANJARA HETRAKO, izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Ambohidratrimo.

EPP Mandroseza : tsy mbola naverina ny volan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra

0
Tsy mbola naverin’ny tomponandraikitry ny sekoly ambaratonga fototra etsy Mandroseza ny volan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra izay notakiana tamin’izy ireo hampidirana mpianatra vaovao. Iharan’ny fandrahonana ankilany izzy ireo raha toa ka mitaky izany raha ny fanazavana.

e-ariary : mandeha ny dingana amin’ny fametrahana azy

0
Anatin’ny herintaona no vinavinaina ho tafapetraka eto Madagasikara ny e-Ariary, na ny monnaie digitale de banque centrale. Efa mande ny dingana amin’ny famolavolana azy raha ny fanazavana. Teboka maro no tsy maintsy hamafisina mialohan’ny hampiharana izany eto amintsika.

Centre Vonjy : mandray an-tanana mivantana ireo zaza iharan’ny fanolanana

0
Nirongatra tato ho ato ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona eto amintsika. Ho an’ny Centre Vonjy Befelatanana, niakatra hatrany amin’ny 92 ny isan’ireo tranga noraisina an-tanana ny volana septambra sy oktobra lasa teo. Mandray an-tanana mivantana ho fanampianana ireo izay niharan’izany ny ivon-toerana « Centre Vonjy » Befelatanana.