Archives quotidiennes: 26 novembre 2020

Mialy RAJOELINA : nitondra fanampiana ho an’ireo mponina tratry ny kere any Atsimo

0
Nitondra fanampiana ho an’ireo mponina iharan’ny ny kere any Atsimo vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo tao amin’ny kaominin’I Tsivory sy ny kaominina Ifotaka ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA. Ankoatry ny fanomezana sakafo, nozaraina fitaovam-pambolena ireo mponina nandritra izany, hahafahan’izy ireo mamokatra hisorohana ny fiverenan’ny kere any an-toerana.

Fandraofana ny fako : hanampy ny SAMVA ny kaominina Antananarivo renivohitra

0
Mitobaka tanteraka ny fako eto Antananarivo sy ny manodidina. Hiamafy izany mandritra ny fotoam-pahavaratra sy ny fiakaran’ny voankazo toy izao. Tsy arak’izay ankilany ny fahafahan’ny SAMVA mandraoka ny fako ara-potoana ka mampitaraina ny maro. Nanamafy arak’izany ny teo anivon’ny kaominina androany fa hamafisina ny fanampiana ny SAMVA mandra-pahazoany ny fitantanana manontolo ity sampandraharaha ity.

Mpiasan’ny Kraoma : 11 volana tsy nandray karama

0
Nandritra ny 11 volana izao no tapaka karama ny mpiasa manontolo eo anivon’ny orinasa kraomita malagasy. Mikatso avoko ny fampiodonana ny orinasa izay mamelona fianakaviana maro. Tsy hita soritra ny vahaolana raisin’ny mpitantana ny orinasa sy ny minisitera voakasika manoloana io ka antony hanaovan’ny mpiasa antso amin’ny fanjakana mahefa.

Herisetra atao amin’ny vehivavy : 3 476 ireo tranga voatoroka nanomboka ny volana Aprily

0
Manomboka sahy mitoroka ny trangana herisetra ny Malagasy. 3476 ireo tranga voatoroka fa herisetra miatra amin’ny vehivavy tao amin’ny laharana maitso 813 nanomboka ny volana Aprily teo hatramin’ny androany. Voararan’ny lalàna ary tsy azo leferina intsony ny fanaovana  herisetra amin’ny endriny rehetra amin’ny vehivavy. Marihina androany 25 Novambra ny andro iraisam-pirenena amin’ny ady atao amin’ny fampitsaharana izany.

DIEGO MARADONA : maty androany teo amin’ny faha 60 taonany

0
Misaona ny tontonlon’ny baolina kitra iraisampirenena, Nodimandry androany ilay kitan’ny baolina kitra argentin DIEGO MARADONA teo amin’ny faha 60 taonany. Raha ny fantatra dia crise  cardiaque no nahafaty azy.

Toetr’andro : hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro ny fiakaran’ny hafanana

0
Hitohy hatramin’ny faran’ity erinandro ity ny fiakaran’ny maripana  manerana ny nosy raha ny nambaran’ny teo anivon’ny meteo Madagasikara. Anton’izany ny fahamainan’ny tany izay miteraka ny tsy fisian’ny orana. Amin’ny ankapobeny ny faritra Atsimo andrefan’ny Nosy no isan’ny ahitana maripana ambony mandritra izany.