Accueil 2020 novembre

Archives mensuelles: novembre 2020

Herisetra atao amin’ny vehivavy : 3 476 ireo tranga voatoroka nanomboka ny volana Aprily

0
Manomboka sahy mitoroka ny trangana herisetra ny Malagasy. 3476 ireo tranga voatoroka fa herisetra miatra amin’ny vehivavy tao amin’ny laharana maitso 813 nanomboka ny volana Aprily teo hatramin’ny androany. Voararan’ny lalàna ary tsy azo leferina intsony ny fanaovana  herisetra amin’ny endriny rehetra amin’ny vehivavy. Marihina androany 25 Novambra ny andro iraisam-pirenena amin’ny ady atao amin’ny fampitsaharana izany.

DIEGO MARADONA : maty androany teo amin’ny faha 60 taonany

0
Misaona ny tontonlon’ny baolina kitra iraisampirenena, Nodimandry androany ilay kitan’ny baolina kitra argentin DIEGO MARADONA teo amin’ny faha 60 taonany. Raha ny fantatra dia crise  cardiaque no nahafaty azy.

Toetr’andro : hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro ny fiakaran’ny hafanana

0
Hitohy hatramin’ny faran’ity erinandro ity ny fiakaran’ny maripana  manerana ny nosy raha ny nambaran’ny teo anivon’ny meteo Madagasikara. Anton’izany ny fahamainan’ny tany izay miteraka ny tsy fisian’ny orana. Amin’ny ankapobeny ny faritra Atsimo andrefan’ny Nosy no isan’ny ahitana maripana ambony mandritra izany.  

ACM : olona 02 naiditra am-ponja vonjimaika, fahafahana vonjimaika ny 16 ambiny

0
Olona miisa 18, ary tafiditra anatin’izany ny Tale jeneralin’ny ACM na ny Aviation Civile de Madagascar, no niakatra teny amin’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption noho ny kitrano an-trano eo anivon’ny ACM. Taorian’ny fampanoavana, olona 02 no naiditra vonijmaika any am-ponja ary nahazo fahafahana vonjimaika ny 16 ambiny.

FIFA : mitsahatra amin’ny asany mandritra ny 5 taona i Ahmad Ahmad

0
Namoaka didy ny Kaomisiona mahaleo tena misahana ny Ethique eo anivon’ny FIFA ary nilaza fa nandika ny andin-dalàna maro ao amin’ny code d’ethique ny filohan’ny CAF Ahmad Ahmad. Vokatr’izany, mitsahatra amin’ny fanatanterahana ny asany mandritra ny 5 taona ny tenany ary mandoa lamandy ihany koa .

Soavina – Atsimondrano : zazavavy 10 taona naolana lehilahy miisa 02

0
Zazavavy iray 10 taona no naolan’ny raikeliny sy raim-pianakaviana 72 taona teny amin’ny Kaominina Soavina Atsimondrano. Efa maro ny fanolanana nataon’ireto lehilahy roa ireto azy raha ny fijoroana vavolombelona nataony.

Mpiasam-panjakana hisotro ronono : mitaky ny « indemnité de mise à la retraite »

0
Miantso ny fitondram-panjakana amin’ny fandoavana ny Indemnité de Mise à la Retraite ireo mpiasam-panjakana maro efa andeha hisotro ronono ankehitriny. Tsy araka ny lalàna raha ny fanazavan’ny sendika ivondronan’ireo zokiolona ny naoty nosoniavin’ny taje jeneraly iray teo anivon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola mampitsahana ny fisitrahana ny Indemnité de Mise à la Retraite.

PPN : niakatra ny vidiny eny an-tsena

0
Tafiakatra 400Ar oharina amin’ny vidiny andro maro lasa izay ny vidim-bary eny an-tsena. Nahitana fiakarany  tahak’izay ihany koa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavan’andro nanomboka ny herinandro lasa teo. Isan’izany ny menaka,  siramamy, farine.

Fifidianana: 2 ny lisitra kandidà nanendry ny mpitam-bola ny kaontin’ny fampielezan-kevitra

0
Ny lisitra kandidà avy amin’ny antoko IRMAR anatin’ny faritanin’Antananarivo sy ny avy amin’ny Antoko MMM  anatin’ny faritanin’i Toamasina ihany hatreto no efa nanendry ny mpitam-bola ny kaontin’ny fampielezan-keviny teny anivon’ny CENI. Ny lalàna no mandidy ny fanendrena izany hisian’ny mangaragara mandritra ny fifidianana raha ny fanazavana azo.

Entan’ny mpandeha TSARADIA : nalefa any Faradofay omaly

0
Namoaka fampitam-baovao ny kaompania Tsaradia, taorian’ny resa-be mikasika ireo entana miisa 61 tsy tonga niaraka tamin’ireo mpandeha tany Faradofay.  Nambaran’izy ireo fa resaka ara-teknika no antony  tsy nahafahana nitondran’ity kaompania ity ireo entan’ny mpandeha ireo.