Archives quotidiennes: 9 décembre 2020

Ankatso I : tsy mbola ampy ny rano tonga eny amin’ireo mpianatra

0
Hanao hetsika fitokonana indray ireo mpianatra eny Ankatso-I manolonana ny tsy mbola fahampian’ny rano maharitra  eny amin’izy ireo.  Hiahamafy ny hetsika raha tsy voavaha ny olana.

CRAAD-OI : nandefa taratasy misokatra ho an’ny Filohan’ny Repoblika

0
Nandefa taratasy misokatra ho an’ny Filohan’ny Repoblika, mikasika ny raharaha Nosy Mitsio ny CRAAD-OI. Fanontaniana hapetrak’izy ireo ny hoe amidy sa hampanofaina ity Nosy ity. Taorian’ny faharenesana fa misy ny fampanofana izany mandritry ny 99 taona no anton’ny ahiahy.

Ankadindratombo : hamokatra 100 metatra tora-3 isan’ora ny tobim-pamatsian-drano vaovao

0
Manoloana ny olan’ny famatsian-drano izay mampitaraina ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina, nidina nijery ifotony ny fizotry ny asa fametrahana ny tobim-pamatsian-drano vaovao etsy Ankadindratombo ny minisitra tomponandraikitra androany. Tombanana hamatsy rano ny kaominina Alasora manontolo ny fotodrafitrasa izay hamokatra rano manodidina ny 100 metatra tora-3 isan’ora.

Toamasina : manjaka indray ny sinto-mahery sy fanafihana

0
Manomboka miverina indray ny sinto mahery mahery vaika ao antampontananan’i Toamasina ao amin’izao fotoana izao. Tao amin’ny fokontany Ankirihiry Toamasina, mpiambina tranombarotra iray no voatsindrona antsy teo akaikin'ny fony rehefa namonjy vehivavy iray niharan'ny sinto-mahery omaly ariva tokony tamin'ny 06 ora.

MATP : miroso ny fanamboaran-dalana

0
Mihazakazaka ny fanamboaran-dalana amin’ny kaominina maro ato anatin’ny faritra Analamanga. Araka ny fitsidihana androany,  70% ny asa fanamboarana ny lalana mirefy 6,2 km miainga ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, mihazo an’ny kaominina Fiaferana ohatra no vita ankehitriny. Miroso tahak’izay ihany koa ny fanamboarana any amin’ireo kaominina hafa.

Akanjon’ny Princesse Ramasindrazana : ho tafaverina eto Madagasikara

0
Hiverina, ho tafody eto Madagasikara ny akanjo volorin’ny printsesy RAMISINDRAZANA, nenitoan’ny Mpanjakavavy RANAVALONA III, sy sary sy ny maro hafa ; rehefa natao lavanty tany Londres androany. Ny fanjakana Malagasy arak’izany no nahazo izany nandritra ny lavanty notontosaina.