Archives quotidiennes: 11 décembre 2020

Tranoben’ny varotra eto Antananarivo : nomarihina androany ny faha 100 taonany

0
Nomarihina androany ny faha 100 taonan’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo. Entina ampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny varotra, efa miditra amin’ny fampivoarana ny indostria I Madagasikara raha ny nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian.

Foloalindahy : miroso ny fanavaozana ny rafitra hametrahana ny fandriampahalemana

0
Miroso ny fanavaozana ny rafitra isan-tokony eo anivon’ny foloalindahy malagasy. Isany tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny fametrahana ny ZONE DE DEFENSE ET SECURITE, hanamafisana ny fandriampahalemana. Isany fanatevenana ny fianakaviamben’ny foloalindahy ihany koa ny fiantsoana ny vehivay hitsara miaramila hoy minisitry ny fiarovam-pirenena, nandritra ny lalonana nanomezam-boninahitra jeneraly 51 andeha hisitro ronono.

Nosy Be : zanaka trozona iray manodidina ny 3 T no natsipin’ny ranomasina tao Matsinja

0
Fatin'ny zanaka Trozona izay tombanana ho 11 m sur 03 m ary eo amin'ny 03 T eo ho eo no hita raha natsipin’ny  ranomasina tao amin'ny faritra Matsinja – Nosy Be Hell ville. Mbola tsy fantatra ny antony sy ny fotoana nahafaty io trozona io. Atahorana vokatr’izay ny fahasalaman’ireo mponina izay naka menaka tamin’io fatina trozona io.

Kolikoly ara-nofo eny amin’ny oniversite : misokatra ny fanadihadiana ankehitriny

0
Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao manoloana ny kolikoly ara-nofo mitranga eny amin’ny anjerimanontolo, izay notaterina teto amin’ny fampahalalam-baovao. Andrasana manoloana izany ny valin’ny fanadihadiana sy ny fepetra horaisina amin’ireo mpampianatra voasaringotra amin’izany.

VBG : fototry ny olana ny tsy fahasahiana mitoroka

0
Olana lehibe tsy ahafahana mamongotra ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na mahavavy eto Madagasikara ny tsy fahasahian’ireo niharany na ireo mahita mitoroka eny amin’ny manam-pahefana. Porofon’izany ny fanadihadiana « grappe à Indicateur Multiples-MICS » izay maneho fa ambony ny tahan’ny herisetra ara-nofo eto amintsika.

Ambatondrazaka : nampidina ny vidim-bary ireo mpanangom-bokatra

0
Taorian’ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana amin’ny famerana ny vidim-bary nafarana ho 550 Ariary, saika nampidina ny vidim-bariny avokoa ny mpanangom-bokatra raha ny fanadihadiana avy any Ambatondrazaka. Misy ihany ankilany ireo mpaninjara sasany milaza ny maty antoka amin’izay fampidinana ny vidim-bariny izay.