Archives quotidiennes: 16 décembre 2020

Saritany vaovaon’i Madagasikara : ho fantatra amin’ny taona 2021

0
Ho fantatra amin’ny taona 2021 ny saritany vaovaon’i Madagasikara hahafahana mahafantatra ny filàna isaky ny faritra sy ny Kaominina, hanafainganana ny fampandrosoana. Io no vokatry ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny tetikasa CASEF sy ny Foibe taon-tsarintany Malagasy, izay nosoniavina androany.

Fananan-tany – Avaradrano : nomena fiofanana ireo ben’ny tanàna sy filohan’ny mpanolontsaina

0
Nanomboka androany, ary haharitra roa andro, ny fampiofanana sy ny fanomezana torolalana ireo ben’ny tanàna sy filohan’ny mpanolontsain’ny tanàna ao Avaradrano mahakasika ny tontolon’ny fananan-tany. Ny hampihena ireo tsy fanarahan-dalàna eny anivon’ny Kaominina tsirairay avy no tanjona.

Mpisehatra amin’ny fizahantany sy ny orinasa afak’haba : mihemotra ny fandoavan-ketra

0
Hiemotra 3 volana aorian’ny fisokafan’ny sisin-tany ny fandoavan-ketra ho an’ny mpisehatry amin’ny fizahantany sy ny orinaa afak’haba. Voatazona kosa ny fotoana fandoavana izany ho an’ny sehatra maro hafa.

Fivarotana fiara «occasion» : hatsangana eny Andohatapenaka ny « Parking » lehibe

0
Eo  amin’ny Kianja Maki Andohotapenaka no hatsagana ilay parking lehibe ho an’ny fivarotana fiara « occasion », antony ny tsy fahampian’ny Parking eto an-drenivohitra sy mba hampizotra kokoa ny fifamoivoizana .  Ho an’ny ireo mpivarotra misy fiatraikianany ara-barotra izany manidrana izany hoy ireo mivarotra nanaovana fanadiadiana.

Vondrona Eropeana : miverina ny fifampidinihina momban’ny « Accord de Pêche »

0
Mitohy ny fifampidinihana amin’ny famerenana ny Accord de Pèche eo amin’ny Vondrona eropeana sy i Madagasikara. Etsy ankilany mitohy ny fiarahamiasan’ny roa tonta . Taonan’ny fanantanterahana an’ireo fifanaovan-tsonia kosa ny taona 2021 raha ny nambaran’ny masoivohon’ ny vondrona Eropeana eto Madagasikara. Nisy io maraina io ny  tatitry ny asa vitan’ny Vondrona eropeana teto Madagasikara ny taona 2020.