Archives quotidiennes: 17 décembre 2020

Business Plan Air-Mad : miroso amin’ny « arbitrage » amin’izao fotoana

0
Mandalo ny antsoina hoe « Arbitrage » ny Business Plan ny Air-Mad amin’izao fotoana hoy ny ieo anivon’ny CNaPS ary hatolotra ny filan-kevi-pitantanana ny faran’ny volana Desambra na ny fiandohan’ny taona 2021. Ankilan’izay, nanamafy ny eo anivon’ny CNAPS fa tsy maintsy hirosoana ny fanaovana Digitalisation hahafahana manamora sy manafaingana ny fisitrahan’ireo mpikambana ny Zo-ny.

EPP Ankadinandriana : ny volana aprily 2021 no vinavinaina ho vita ny asa

0
Mpianatra miisa 600 no ho zakan’ny sekoly vaovao hatsangana ao amin’ny kaominina Ankadinandriana raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny minsteran’ny Fanabeazam-pirenena. Vinavinaina  ho vita ny volana aprily 2021 ny sekoly,  ka andray ny taom-pianarana 2021-2022.  

Fihaonana – Solombavambahoaka – Governemanta : naharitra ora 14 mahery

0
Tontosa tetsy amin'ny CCI Ivato omaly tontolon’ny andro, ny fihaonana teo amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka erak'i Madagasikara. Fihaonana izay nametrahan’ireo Solombavambahoaka fanontaniana mivantana tamin’ny Praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Maro ireo fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka momba ny raharaham-pirenena, fihaonana teo amin’ny roa tonta izay naharitra ora 14 mahery.

Fanamboarana ny lalana : mandeha mian-dalana ny fanatratrarana ny tanjona

0
Isany nibahana tamin’ny fihaonana teo amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka erak'i Madagasikara omaly ny mikasika ny lalana eto Madagasikara. Nitondra fanazavana manoloana izay ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy nandritra io. Nambarany fa mazava ny politikam-panjakana mikasika ny lalana ary miankina amin’ny ara-bola sy ny lafiny teknika ary ny fizarana andraikitra ny fanantontosana izany.

ROCADE Nord-Est / Est : andrasana ireo mponina hanao ny antotan-taratasy ho fanonerana azy

0
Miroso ny asa fanamboarana ny Rocade Avaratra Atsinanana sy Atsinanana. Mitohy manarak’izay ihany koa ny fanonerana ny mponina voakasiky ny tetikasa. Amin’ireo ampahan-tany 545 tsy mbola nandoavana ny onitra, mila fanohanana amin’ny fikirakirana ny antontan-taratasiny ireo tompona ampahan-tany 440. Izay no antony nametrahan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny Guichet Unique eny Alasora, ho fanampiana azy ireo.

Masoivohon’ny Repoblikan’i Corée : nanatitra ny taratasy manendry azy teny Iavoloha

0
Tonga nanatitra ny taratasy manendry azy ho Masoivoho honina sy hiasa eto Madagasikara tamin’ny Filohampirenena ny masoivohon’ny Repoblikan’i Corée Son Yong-ho io maraina io teny amin’ny Lapan’Iavoloha. Raha ny nambarany, mitohy ary hamafisina ny fiarahamiasa amin’i Madagasikara . Fotoana ihany koa hanantanterahana ireo fifanarahana nifanaovana ny roa tonta izao.

LFI 2021 : nankatoavin’ny Antenimierandoholona niaraka tamin’ny fanitsiana vitsivitsy

0
Lany teny amin'ny Antenimierandoholona io maraina io ny volavolan-dalana 016/2020 ny 30 Oktobra 2020, mifehy ny teti-bola 2021 nandritra ny fandinihana fanindroany nataon’ireo Loholona. Loholona 22 nanaiky ary 16 nandà. Na eo aza ny tsy fitovian-kevitra, nizotra tamim-pilaminana sy nanaja ny hevitra lanin’ny maro an’isa ny fandaniana izany.