mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 décembre 2020

Ady amin’ny fanaovana maloto an-kalamanjana : ny fanorenana foto-drafitr’asa no vahaolana

0
Isan’ireo firenena manana taha ambony eo amin’ny fanaovana maloto an-kalamanjana I Madagasikara hoy ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fidiovana sy fanadiovana. Tokony hafainganina ny fanorenana foto-drafitr’asa mifanaraka amin’izany hoy izy ireo ary aorian’izay, hampiharana ny lalàna ireo rehetra tratra manao izany.

Fanombanana ny politikam-panjakana : antoka hahatratrarana ny vina napetraka

0
Tsy mbola tafiditra tao anatin’ny kolontsain’ny Malagasy ny fanombanana ny politikam-panjakana na ny évaluation des politiques publiques. Antoka iray ahatratrana ny vina napetraka anefa izany raha ny fanazavana.

Fitantanana ny valan-java-boahary : esorina ny tompon’andraikitra tsy mahomby

0
Tsy maintsy havaozina hifanaraka amin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra ny fitantanana ny valanjavaboahary eto Madagasikara. Hapetraka mazava ny bokin’andraikitra hifehezana ny fitantanana. Isany hojerena manokana  ny tamberim-bidy azo avy amin’ny valan-java-boahary izay mety hiafara amin’ny fanesorana ny tomponandraikitra tsy mahomby aorian’ny fanaovana tombana.

Fomba fiasan’ny Solombavambahoaka : mampametra-panontaniana ny maro

0
Tsy ampy ny fetr’isan’ireo Solombavambahoaka tonga teny anivon’ny Antenimierampirenena androany handray ny fanapahan-kevitra ny mahakasika ireo antontan-taratasy miisa 12, izay maha voasaringotra olona ambony teto amin’ny firenena, ho nanao kolikoly sy fanodikodinambolam-panjakana. Ankilany, efa tontosa ny asan’ny kaomisionina manokana raha ny nambran’ny filohany fa anjaran’ny fivoriambe azo atrehina sisa.

Famatsiam-bola ny tetezana – Mangoky : nankatoavin’ny loholona

0
Miroso ny dingana fanamboarana ny tetezana lava indrindra eto Madagasikara, mirefy 880m,  izay haorina eo amin’ny Reniranon’i Mangoky. Lany  androany teo anivon’ny antenimierandoholona ny volavolan-dalàna fankatoavana ny fampidiram-bola ny tetikasa ity. Ny taona ho avy arak’izany no hivoaka ny tolo-bidy ho an’ny orinasa izay handray ny asa.

Faritra Atsimo : 100 tapitrisa dolara ny vola azo hiadina amin’ny kere

0
Tontosa androany teny amin’ny lapam-panjakan’Iavoloha ny fifanaovan-tsonia ny fandaharahan’asa "Mionjo" hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo hiarahana fanjakana Malagasy sy ny  Banky Iraisam-pirenena. Vola nitentina 100 tapitrisa dolara no natolotry ny Banky Iraisam-pirenena tamin’izany.