mercredi 24 avril 2024
Accueil 2020 décembre

Archives mensuelles: décembre 2020

Distrikan’Ampanihy : tafiakatra 10 ny zaza maty noho ny kere tato anatin’ny 2 volana

0
Tafiakatra 10 ny zaza maty noho ny kere tao anatin’ny distrikan’Ampanihy tao anatin’ny 2 volana. Atahorana hiakatra ny tarehimarika raha tsy misy ny fandrindrana ny fizarana ny fanampiana indrindra any amin’ireo toerana lavitra sy saro-dalàna. Isan’izany ny any ANKITIKITIKY, VORODRAHA sy ny maro hafa izay anaovan’ny solombavambahoaka antso avo amin’ny BNGRC.

Lavanila – Maroantsetra : potiky ny bibikely

0
Misedra olana ny sehatry lavanila any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Ankoatry ny vidiny izay tsy misy hafatsy ny iray am-pafolony sisa, potiky ny bibikely ny voly lavanila any an-toerana ary ahiana ho ringana tanteraka. Manao antso avo arak’izany ireo mpamboly mba hisy tomponandraikitra hijery ny vahaolana hiarahan’ny rehetra misitraka.

Vontovorona : nahazo rariny tamin’ny fitsarana ireo mpiasan’ny faritany

0
Nahazo rariny tamin’ny fitsarana hatramin’ny farany ireo mpiasan’ny faritany teo aloha manana tany sy manana taratasy ara-dalàna ny amin’ny maha tompon’ny tany azy ireo eny Votovorona. Niala maina ireo izay olona nibodo ny tany nandritra ny fidinana ifotony nataon’izy ieo androany nanatanteraka ny re-bornage teny an-toerana.