Archives quotidiennes: 11 janvier 2021

Ambohitsoa – Manandriana : 3 mianadahy maty, ankizy 1 naratra vokatry ny filatsahan’ny varatra

0
3 mianadahy no namoy ny ainy ary ankizy vavy 1 naratra noho ny filatsahan’ny varatra tao amin’ny fokontany Ambohitsoa, kaominina Manandriana omaly. Vehivavy  18 taona niaraka tamin’ny zandriny lahy  10 taona sy  ankizy lahy 12 taona ireo namoy ny ainy ireo.

Dobo filomanosana : misy lamina napetraka ho an’ny mpilomano

0
Ao anatin’ny fahabetsahan’ny mpilomano tanteraka amin’izao fotoana izao ny dobo filomanosana eto an-drenivohitra.  Manoloana ny fanarahana hatrany ny fepetra ara-pahasalamana entina misoroka ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19, lamina vitsivitsy no napetraka ho an’ny mpilomano tsirairay.

Seminera Zandriny Ambohipo : mankalaza ny faha-100 taona nampiofanana ho Pretra

0
Zontosa androany ny fankalazana ny faha-100 taona ny fampiofanana eny anivon’ny seminera zandriny ambohipo. Efa nananika 230 ankehitriny ny Mopera dioseziana malagasy nivoaka teo anivon’ity seminera ity ka maro ny manao ny asa fanompoana hatrany ivelany. Misy ny sivana takiana hirosoana ho pretra saingy isany takiana ny fanoloran-tena araka ny fanazavana.

Raharaha volamena 73,5kilao : olona 8 naiditra am-ponja vonjimaika

0
Tohin’ny raharaha fanondranana volamena milanja 73,5 kilao an-tsokosoko. Olona 8 no naiditra am-ponja vonjimaika raha ny fampitam-baovao navoakan’ny minisiteran’ny fitsarana tao amin’ny tambazotran-tserasera.

10 janoary : andro maneran-tany ho an’i Tintin

0
10 janoary, andro maneran-tany ho an’ny tantara an-tsary « les aventures de Tintin ». Maro amin’ireo mpanao asa tanana ankehitriny  no mampiasa ity tantara an-tsary ity ho fitaovana entina manintona ireo mpanjifa eto an-toerana sy any Ivelany, amin’ny alalan’ireo karazana sary sikotra sy « marqueterie » vita amin’ireo kazaran-kazo eto Madagasikara.

Voninkazo : nampihena ny vidiny ny tsy fisian’ny rotsak’orana

0
Mikatso ny tsenan’ny voninkazo ankehitriny. Mitombo ankilany ny masokarenan’ny mpivarotra amin’ny fikarakarana azy manoloana ny tsy fisian’ny rotsak’orana. Isan’izany ny vola mivoaka amin’ny fanondrahana. Izay indrindra no antony hampihenan’ny mpivarotra ny vidin’ny voninkazo hisintonana ny mpanjifa.

Paoma : niharatsy ny vokatra

0
Fotoana fiatombohan’ny fivokaran’ny paoma. Any Antsirabe, hatreto, ratsy noho ny taona lasa ny vokatra tamin’ity taona ity. Anton’izay ny tsy fahampian’ny rotsak’orana.