vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 19 janvier 2021

Antenimierandoholona : nanao tatitra ny vaomiera mpanao famotorana androany

0
Tontosa androany tetsy Anosikely ny tatitra lehibe notanterahin'ireo vaomiera mpanao famotorana eo anivon'ny Antenimierandoholona. Misokajy efatra lehibe ireo teboka nivoitra nandritra izany, isan'ireny ny mahakasika ny vola azo niatrehana ny covid-19 teo ihany koa ny mahakasika ny fahitan'izy ireo ny doublon teo anivon'ny lisi-pifidianana.

Village Voara : mihoatry ny 120 ireo tonga nanao fitiliana tao anatin’ny 03 andro

0
Mihoatry ny 120 ireo olona tonga nanao fitiliana teny amin’ny CTC Village Voara tao anatin’ny 03 andro. Midika izany fa mbola ao anatin’ny fiparitahan’ny COVID 19 isika amin’izao fotoana ary tsy miankina amin’ny toetr’andro ny otrik’aretina hoy ny mpitsabo. Araka izany, tsy marina raha ny fanazavana ilay hoe tsy tian’ny Coronavirus ny andro mafana.

Ady amin’ny Kere: nanao antso hitadiavana famatsiam-bola ny fitondram-panjakana

0
Nanomboka androany faha-18 ny volana 2020 ny APPEL ECLAIR na ny antso hitadiavana famatsiam-bola hiadiana amin’ny kere any amin’ny tapany atsimo. Mitentina 75.9 tapitrisa dolara ny vola andrasana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny maro hafa amin’izany. Famatsiam-bola izay hahafahana manohy ny tetikasa samihafa hiadiana amin’ny kere ary hisorohana famoizana ain’olona maro ihany koa.