vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 25 janvier 2021

Zébu Overseas Board : manohana ny tantsaha

0
Maro ireo tantsaha ao amin’ny faritra Vakinankaratra no efa nahazo tombotsoa tamin’ny alalan’ny orinasa tsy miankina iray izay manampy ireo tantsaha amin’ny fividianana omby sy kisoa ary fitaovana  toy ny sarety.  Tsy amin’ny alalan’ny lelavola no omena azy ireo fa omby avy hatrany no vatsin’ity orinasa ity.

Menabe – Ampanihy : manodidina ny 300 Ha ny velaran-tany ahitana ireo valala efa foy

0
Manodidina ny 300 Ha amin’ny velaran-tany ao Ampanihy faritra menabe no hahitana ireo valala efa foy ankehitriny raha ny nambaran’ny teo anivon’ny Ivontoeran’ny famongorana ny valala eto Madagasikara. Miisa 3 hatreto ireo faritra nandrenesana fitaraianana momba izany. Efa misy manoloana io ny fandraisana andraikitra amin’ny famonohana ireo valala foy hisorohana ny fihanak’izany ho adihany raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.

TOAMASINA : nisitraka toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro

0
Hentitra ny Filohan’ny Repoblika, nambarany fa tokony hifanaraka amin’ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa ny vidin-jiro sy rano. Androany , notokanana tao Tanambao Verrerie Toamasina ny toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Etsy ankilany, tonga androany ao Toamasina ny sambo lehibe  andiany voalohany nitondra vary 7 000T nafaran’ny fanjakana, vary tsinjo izay ho amidy amin’ny vidiny mirary.

Fanafarana entana : niakatra avo 2 hatramin’ny 3 heny saram-pitaterana

0
Firenena maro manerantany no mitondra faisana amin’ny fiakaran’ny vidin’entana amin’izao fotoana izao. Isan’izany ny vidin’ny lafarina, menaka, vary sy ny siramamy sy ny marohafa. Ny fiakaran’ny saram-pitaterana ny entana miainga avy any ivelany no antony hoy ny mpandraharaha. Ny mahakasika ny saram-pitaterana entana izay niakatra avo 2 na 3 eny amin’ny teo aloha.