Archives quotidiennes: 12 février 2021

Barikadimy Toamasina : hitokona manomboka rahampitso ireo mpandraharaha

0
Hiroso amin'ny fitokonana faobe ireo mpiasa miandraikitra ny fampiodinan-draharaha eo anivon'ny oniversiten'i Toamasina manomboka rahampitso zoma ary hanao fihetsiketsehana manoloana ny biraon'ny filohan'ny oniversite hitaky ny karaman'izy ireo roa volana.

Volamena 73,5kg : ahiana ho ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko ilay orinasa any Dubaï

0
Firaisana tsikombakomba tamin’ny fanondranana an-tsokosoko ilay volamena 73,5kg no handraisan’ny eo anivon’ny Fitsarana Malagasy ny fanononan’ilay orinasa any Dubaï  ho tompon’ny entana; araky ny nambaran’ny minisitry ny fitsarana androany, nandritra ny fotoana fianianana sy ny fametrahana ofisialy amin’ny toerany ny Tonia Mpampanoa Ambony eto Antananarivo. Nambaran’ity farany ankilany fa hisy ny fanovana hapetraka amin’ny fandrindrana ny raharaham-pitsarana eto Madagasikara.

« Souche mutante » : mitovy amin’ny fitsaboana ny valan-aretina covid-19 ihany

0
Eo am-pandaminana  ny olana misy amin’ireo syndicat ny mpitsabo mpanampy manao fitokonana ny minisitera tomponandraikitra raha ny fanazavan’ny minisitra androany.  Ho fanamafisana ny fiatrehana ny ady atao amin’ny valan’aretina covid-19, fitaovana fitsaboana  sy kojakoja medikaly mitentina 250.000 Euros no fanomezana avy amin'ny Governemanta Alemana amin'ny alalan'ny GIZ ho an'ny governemanta Malagasy.

Karnem-pokontany vaovao : 18 % ny tokantrano no nisoratra anarana anatin’ny rejistra

0
Marisarisa ny fahatongavan’ny mponina amin’ny famenoana ny anaran’ny ankohonany anatin’ny rejistra hamolavolana ny kara-pokontany vaovao. 18 % ny tokantrano no nanao izay raha fanadihadiana teny Anatihazo Isotry. Tsy mbola manomboka kosa ny asa eny Antetezana Afovoany I.

Nosy-Be : tsy nisy fitaovam-piadiana niditra an-tsokosoko

0
Nandiso ny filazana fa misy ireo karazana fitaovam-piadiana mahery vaika sy ireo mersenera hampihorohoro izay nampidirina an-tsokosoko tao Nosy Be ireo tomponandraikitry ny filaminam-bahoaka androany teny Ambohijatovo. Fanakorotanana saim-bahoaka no ambadik’iny filazana sy fanaparitahana vaovao tsy marina izany raha ny fanazavana.

Kolonely RATSIMANDRAVA : feno 46 taona androany ny nahafatesany

0
Feno 46 taona androany ny nahafatesan’i Kolonely RATSIMANDRAVA, filoham-panjakana ny taona 1975. Olo-manan-kaja ambony sivily sy miaramila maro eto amin’ny firenena notarihin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no nanatrika ny lanonam-pahatsiarovana izany teny Ambohijatovo ambony androany.

Sisin-tanin’i Madagasikara : fepetra maro no hapetraka hanamafisana ny fanaraha-maso

0
Aorian’ny fanadihadiana tontosain’ny PAC na ny pôle anti-corruption no ho fantatra mazava ny isan’ny mpiasan’ny faditseranana voasaringotra tamin’ilay raharaha fanondranana volamena milanja 73,5kg an-tsokosoko. Amin’izao fotoana izao, nambaran’ny tale jeneralin’ny faditseranana fa maro ny fepetra hirosoana entina hanamafisana ny fanaraha-maso ny sisin-tanin’i Madagasikara

Ambanin’i Manjakamiadana : trano 440 eo ho eo no tandindomin-doza

0
Trano manodidina ny 440 tafo ary mponina manodidina ny 2.000 no tandindin-doza eny ambanin’ ny Manjakamiadana amin’izao fotoana izao ny amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany sy ny vato be eny an-toerana raha ny nambaran’ny BNGRC androany. Nidina ifotona nanao fanentanana ny amin’ny tokony hialan’ireo mponina eny an-toerana ny tomponandraikitra tamin’ity androany ity.