Archives quotidiennes: 23 février 2021

Fijerena horonantsary amin’ny « Salles de cinéma » : nihena ny fitiavan’ny Malagasy izany

0
Nihena hatramin’ny 90% oharina ny tany aloha ny fankafizan’ny Malagasy mijery Cinema amin’ireny toerana natokana amin’izany ireny. Isany antony ny fahavitsian’izany sy ny sarany ambony. Maro amin’ny salle de cinema fahiny no efa niova tsy ho izany intsony tato anatin’ny taona maro, tahaky ny Cinema Rex sy Ritz. Ireto farany izay saika ny mpitondra fivavahana no manofa azy ankehitriny.

Fandaharana Miara Manonja : handraisana fepetra, hoy ny prefektiora

0
Handraisana fepetra ny fandaharana Miara Manonja hoy ny prefektioran’Antananarivo androany nandritra ny fivorian’ireo tomponandraikitra misahana ny filaminana. Manohintohina filaminam-bahoaka ity fandaharana ity raha ny fanazavana.

ANKATSO : mitaky ny fandoavana ny karamany 2 volana ny mpiasan’ny CROUA

0
Mitaky ny fandoavana ny karamany 2 volana ny mpiasan’ny CROUA eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Efa maro ny dingana narahana tamin’izany saingy nijanona ho fampanantenaina fotsiny ihany, hoy ny sendikan’ny mpiasan’ny CROUA. Ny fitakiana izay niafara tamin’ny fampitsahara tamin’ny asa ho an’ireo mpitarika miisa 4.

Paositra Malagasy : nitombo 100% ny tahan’ny mpandefa entana

0
Raha toa ka nisehatra kokoa tamin’ny fizarana taratasy  ny paositra malagasy, amin’izao vanim-potoana izao , misehatra betsaka amin’ny fandefasana entana anatiny na ivelany izany. Tao anatin’ny 3 taona izay, nitombo 100% ny tahan’ny mpandefa entana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy.

Toamasina : nanao diabe sy niakanjo mainty ireo mpianatry ny Oniversite androany

0
Diabe namakivaky ny tanàna ho fanomezam-boninahitra ny naman’izy ireo izay lavo nandritra ny hetsika ny 18 Febroary lasa teo no nasetrin’ireo mpianatra avy eo anivon’ny Barikadimy Toamasina androany, fitafy mainty no nandravaka ireo mpianatra nandritra izany. Ankoatra io, nitaky ny marina mahakasika ilay mpitandro filaminana nitifitra ihany ko izy ireo.