Archives quotidiennes: 24 février 2021

CENI : hifarana ny Alahady izao ny lisi-pifidianana vonjimaika

0
Ny faha-28 ny volana febroary ho avy izao hanatanterahana ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana eto Madagasikara. Halefa eny anivon’ny Fokontany ny lisitra vonjimaika aorian’izay ka 20 andro no ananan’ny olompirenena rehetra hanamarinana ny anarany anaty lisi-pifidianana.

Tarif Optima : ho hampiharina, hoy ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola

0
Ho hampiharina ny fampiakarana ny vidin-jiro araky ny fifanarahan’ny Jirama  tamin’ny banky iraisam-pirenena, araky ny nambaran’ny  minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola androany, saingy namafisiny fa tsy mbola amin’izao fotoana izao no hanatontosana izany. Ny tsy fanarahana io fifanarahana io, izay antony nandefasan’ny banky iraisam-pirenena taratasy ho an’ny minisitry ity, ary hiankinan’ny fisitrahan’i Madagasikara famatsiam-bola feno avy amin’izy ireo.

Fiantohana : ny CSBF no hisahana ny fanaraha-maso izany eto Madagasikara

0
Tontosa androany ny famindram-pitantanana ny andraikitra mikasika ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana eo amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola ho any amin'ny Commission de la Supervision Bancaire et Financière na ny CSBF eo anivon'ny Banky Foiben’i Madagasikara . Tanjona raha ny fanazavana ny hanatsarana ity sehatra ity, eo ihany koa ny hampitomboana ny fiatraikan’ny Assurance amin’ny arikarena faobe.

Madagasikara – Japon : hamafisina ny fiaraha-miasa

0
Hiamafy ny fiara-miasan’i Madagasikara sy Japon, araky ny nivoitra androany nandritra ny fankalazana ny faha-61 taonan’ny  Sa majesté Empereur ny Japon. Nambaran’ny masoivohon’i Japon sy ny minisitry ny raharaham-bahiny ihany koa fa andalana ny dingana famerenana ny fisokafan’ny orinasa Ambatovy. Mikasika ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ho jerena ihany koa raha ny fanazavana ny ho fitohizan’ny asa.

« Digitalisation » : manomboka ny fampiharana izany ny eny amin’ny Oniversite

0
Manomboka amin’ny fidirana ny digitalisation ny Oniversitem-panjakana  eto Madagasikara ka ny Oniversite an’ Antananarivo ny nisantatra  izany androany. Natao izany mba hanatambarana iray ao anatin’ny base de donnée ny lisitry ny mpianatra rehetra. Isany tanjona amin’izao ny  hanamorana ny fizarana ny vatsim-pianaranan’ny mpianatra.