vendredi 29 mars 2024
Accueil 2021 février

Archives mensuelles: février 2021

Asa any Canada : mora ny fepetra takiana fa maro ny taratasy ilaina

0
Mora ny fepetra takiana ho an’izay maniry hiasa any Canada raha ny fanadihadiana natao tamin’ity androany ity. Miankina amin’ny tolotr’asa misy any an-toerana kosa anefa no andraisana mpiasa eto Madagasikara. Androany, olona 15 no namonjy an’i Canada hiasa herintaona hatramin’ny telo taona.

Inspecteur du travail : mihanjan-droa ny tady eo amin’ny sendika sy ny minisitera

0
Samy manana ny filazany ny eo anivon’ny Minisitera sy ireo Inspecteur du travail manao fitakiana amin’izao fotoana, indrindra taorian’ny famoahan’ny minisitera « affectation » ho an’ny mpiasam-panjakana ka isan’izany ny ankamaroany amin’ireo manao fitakiana. Tsy ara-dalàna ny affectation hoy ny Inspecteur du travail. Nanaraka ny Procedure rehetra io hoy kosa ny Minisitera.

Coronavirus : olona maherin’ny 1 700 no voasazy ny herinandro teo

0
Na tsy mitsaha-mitombo aza ny olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto amin’ny Faritra Analamanga, maro amin’ny olomp-irenena no tsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana. Ny herinandro teo, olona maherin’ny 1 700 no nanao asa ho an’ny tombotson’ny daholobe.

Trano nianjera teny Anosizato : miroso ny fanadihadiana rehetra

0
Miroso tanteraka ny fanadihadiana ataoan’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra manoloana ilay ilay trano nianjera tao Anosizato Atsinanana izay tsy ara-dalàna. Miroso ihany koa ny fitsirihana sy ny fandraisana andraikitra manoloana ny fanorenana tsy ara-dalàna raha ny nambaran’ny ben’ny tanàna.