Archives quotidiennes: 4 mars 2021

CODE DE LA NATIONALITE : maro ny teboka hojerena mandritra ny fotoam-pivorian’ny solombavambahoaka

0
Mila fanovana tanteraka ny Code de la nationalité eto Madagasikara hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena androany nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazetin’ny Kolo Tv. Mifantoka betsaka amin’izany ny atrikasa iarahan’ny FOCUS DEVELOPMENT sy ireo solombavambahoaka any Nosy Be. Isany hojerena manokana anatin’izay ny mahakasika ireo tsy manantsata.

Vontovorona : tsena sy trano fonenana maro no niharan’ny fahasimbana sy fandrobana omaly

0
Toeram-pivarotana sy toeram-ponena maro eny Vontovorona no niharan’ny fandrobana sy fahapotehana nandritra ny fihetsiketsehana notanterahin’ireo mpianatry ny polytechnique Vontovorona omaly alina. Velon-taraina ireo mponina manoloana ny herisetra sy ny fahasimbana aterak’ireo mpianatra manao fihetsiketsehana.

Mahajanga : tafapetraka ny « unité de transformation de Poisson »

0
Tafapetraka ao Antsahan’ny bingo Mahanjanga ankehitriny ny «  unité de transformation de poisson » natolotry ny vadin’ny filoham-pirenena ho an’ny fikambanan’ny mpanjono mivoatra any an-toerana. Tanjona amin’izany ny fampiroboroboana sy ny fampandrosoana ny asa viveloman’ireo vehivavy any an-toerana.

Hapetraka ny paikady momba ny arolozan’ny fifamoivoizana

0
Olona 28 amin’ny mponina 1 hetsy no maty eto Madagasikara vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Ny tsy fitovian’ny fampitana ny fampianarana eny amin’ireo auto école no mamaritra ny ampahany betsaka amin’ny anton’ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Nisy io maraina io atrikasa nentina namaranana sy nandaniana ny paikady nasionaly momba ny arolozan’ny fifamoivoizana ao anatin’ny 10 taona eto Madagasikara.

Soamandrakizay : tsy nomen’ny fiangonana katolika hanaovana hetsika

0
Tsy nomen’ny fiangonana Katolika hanaovana hetsika isan-tokony ny kianja eny Soamandrakizay. Ankoatran’ny maha fananan’ny fiangonana madiodio ny toerana, maro ny fotodrafitrasa sy ny orinasan’ny diosezin’Antananarivo eny Soamandrakizay ka antony handavana ny fikasana.