mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 9 mars 2021

Andron’ny vehivavy : notontosaina tany Atsiranana ny fanamarihana ofisialy

0
Tontosa tany Atsiranana ny fanamarihana ny andron’ny manerantany ho an’ny vehivavy teto Madagasikara, izay notarihin’vadin’ny filoham-pirenena niaraka tamin’ireo fikambanam-behivavy samy hafa. Niavaka ny fanakalazana izany  tamin’ity taona ity manoloana ny fisihan’ny valan’aretina covid-19. Manana ny maha izy azy ny vehivavy ary manana ny zo ny hanapaka sy hanao safidy  raha ny nambaran’ny vadin’ny filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara, Mialy RAJOELINA.

Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy : hetsika maro no natao teto Antananarivo

0
Samy nanana ny endriny nankalazana ny 08 martsa ny vehivavy teto Antananarivo androany. Tao ireo nanamarika izany, tamin’ny alalan’ny fanatontosana « carnaval », tao ireo nizara fanampiana ho an’ny vehivavy sahirana, tao ireo nanantontosa famelabelaran-kevitra narahana ady hevitra momba ny vehivavy. Isany teboka lehibe nivoitra nandritra izay ny fanamafisana ny ady ho an’ny fisitrahan’ny vehivavy ny zony feno.

Vehivavy sy ny fananan-tany : vitsy no misitraka ny zony

0
15% amin’ny titra ana tany ihany no misoratra amin’ny vehivavy eto Madagasikara, araka ny taha navoakan’ny direction général des services fonciers. Araka io taha io, vitsy ny vehivavy misitraka ny zo amin’ny lafiny fananantany. Teboka maro no anton’izay araka ny nivoitra nandritra ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra notontosaina androany.

Fandovana : tsy tokony ho any amin’ny laharana faha-8 intsony ny vady

0
Ezahina ho tafiditra amin’ny laharana faharoa na fahatelo aorian’ny zanaka ny vady vehivavy raha any amin’ny laharana faha-8 no misy azy araka ny lalàna amin’izao fotoana. Antony namolavolana tolo-dalàna, izay hatolotra ny Antenimierampirenena ka ho dinihina mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany ny volana May ho avy izao, hoy ny Solombavambahoaka namolavola io tolo-dalàna io. Tafiditra anatin’ny fampitoviana zo ny lahy sy ny vavy izany.

Vehivavy : manana ny anjara-toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina Malagasy

0
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiarahamonina Malagasy ny vehivavy saingy samy manana ny rafi-pitsinjarana andraikitra ny isam-paritra toy ny Antehimoro. Ity farany izay misy ihavahany amin’ny hafa na izany aza, tsy midika ho fanambaniana izany hoy ny mpampianatra mpikaroka iray.

Fihibohana – Coronavirus : nampitombo ny isan’ireo vehivavy nitondra vohoka

0
Vohoka tsy nirina manodidina ny 77 000 isa no niseho ny taona 2020 vokatry ny fihibohana tamin’ny Coronavirus teto Madagasikara araka ny fanadihadiana nataon’ny UNFPA sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

Antsirabe : vola mitentina 148 Tapitrisa Ariary lasan’ny jiolahy

0
Nitrangana fanafihana mitam-piadina indray tao Antsirabe renivohitra ny faran’ny herinandro lasa teo.  Jiolahy 04 dahy mirongo basy sy Antsy no niditra ankeriny tao amin’ny banky iray ary lasan’izy ireo tamin’izany ny vola mitetina 148 tapitrisa Ariary.