Accueil 2021 mars

Archives mensuelles: mars 2021

Fitiliana Covid-19: test TDR antigène no ankatoavin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka

0
Ny test TDR antigène   no ankatoavin’ny ministera fa tsy ny test TDR anticorps. Hatreto mbola ampy ny fanaovana test PCR, ary afaka manao izany avokoa eny amin’ny Village Voara  ireo olona manana haihay raha  ny fanazavany. Ny Test PCR ihany no napetraka hitiliana ny coromavirus eto Madagasicara raha ny fanzavan’ny tomponandraikitra iray teo anivon’ny ministeran’ny fahasalam-bahoaka.

RAHARAHAM-PIRENENA : mila jerena manokana ny fitakian’ny mpianatra

0
Mila jerena manokana ny mahakasika ny famahana ny fitakiana samihafa eto amin’ny tany sy ny firenena toy ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatry ny anjerimanontolo. Izay no isany nasongadin’ny filohan’ny Antenimierampirenena nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany ho an’ity andrim-panjakana ity ankoatry ny fampahafantarana ny lahadinika 4 nampiantson’ny governemanta azy ireo.

Antenimierandoholona : manomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana

0
Nosokafana tamin’ny fomba officialy androany  teny amin’ny lapan’Anosikely ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany ny Antenimierandoholona amin’ity toana 2021 ity. Lahadinika 4 lehibe nampiantsoan’ny Governemanta no hibahana mandritra ny fivoriana. Ankilany, olona mendrika hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona no  handrafitra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenena ary tsy hijerena loko politika.

Fanjonoana sy fihinanana vokatra an-dranomasina : misy fotoana mila hajaina

0
Manoloana ny tranga fanapoizinana vokatry ny fihinanana fano tany Vatomandry, nitondra fanazavana io maraina io ny tale jeneralin’ny jono. Nanamafy ity farany fa voarara ny fihinanana biby an-dranomasina  na animaux marins rehefa vanim-potoana mafana ary mbola misy minia mandika izany.

Raharaha Volamena : nosamborin’ny INTERPOL indray izy 3 nahazo fahafahana vonjimaika

0
Nosamborin’ny INTERPOL indray ireo Malagasy miisa 3 tratehaky tamin’ny fanondranana ny volamena taorian’ny fanomezan’ny fitsarana Afrikana Tatsimo fahafahana vonjimaika azy ireo. Mbola mitohy arak’izany ny fangatahan’ny fitsarana Malagasy ny EXTRADITION sy ny maro hafa izay andrasana ny volana May ho avy izao.

Tetikasa AVOTSE : sekoly vaovao miisa 06 no hajoro any Atsimon’ny Nosy

0
Sekoly vaovao miisa 06, tafiditra ao anatin’ny tetikasa AVOTSE no hajoro ao Atsimon’ny Nosy hahafahana manampy ireo zaza Malagasy. Hifarimbona sy hanolo-tanana ny Association Fitia amin’izany ny Fondation VISEO, ny OIT sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ny fanabeazana izay manan-danja ary fanoitra voalohany ho an’ny fampandrosoana hoy i Ramatoa Mialy RAJOELINA, filohan’ny fikambanana FITIA.

Oniversite – Antananarivo : miato ao anatin’ny 48 ora ny hetsiky ny mpianatra

0
Nilamina ny teny Ankatso sy ny manodidina io maraina io. Taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny solontenan’ny mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny sciences sy ny filohan’ny oniversite an’Antananarivo, miato ny hetsika ary ao anatin’ny 48 ora no amahana ny olana rehetra momban’ny fitakiana ny vatsim-pianarana.

Mpianatry Vontovorona : nanohy ny fihetsiketsehana alina

0
Nanohy ny fihetsiketsehana alina ireo mpianatry ny Polytechnique Vontovorona noho ny tsy famalian’ny minisiteran’ny fampianarana ambony ny famoahana ny tetiandro andraisana ny vatsim-pianarana ’izy ireo fa ihany koa ny hamoahana ny naman’izy ireo voasambotra.

Raharaha volamena : nahazo fahafahana vonjimaika izy telo lahy tratra

0
Nahazo fahafahana vonjimaika ireo Malagasy miisa telo lahy tra-tehaka niaraka tamin’ilay volamena milanja 73,5 Kg tatsy Afrika Atsimo araka ny vaovao azo avy any an-toerana, na eo aza ny fanomezana fahafahana vonjimaika azy telo lahy ireo, arahi-maso akaiky ny toerana ipetrahan’izy ireo ary voafetra ny olona afaka mifanerasera aminy.

Marofototra – Vatomandry : olona 10 namoy ny ainy, nihinana Fano misy poizina

0
Olona 10 no namoy ny ainy noho ny fihinanana « Fano » na sokatra an-dranomasina misy poizina tao amin’ny Fokontany Marofotra – Vatomandry. Am-polony ireo naiditra hopitaly ka ny 05 amin’ireo no mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao.