Archives quotidiennes: 14 avril 2021

Antsatratokana : feno hipoka ny toeram-pandevenana ireo lavon’ny covid-19

0
Efa feno tanteraka ny toerana natokana handevenana ireo olona lavon’ny valan’aretina Covid-19 ao Antsatratokana ao Mahajanga ao amin’izao fotoana izao. Fantatra ankehitriny fa efa mihoatra amin’ny tanin’olona manodidna eny an-toerana ny toerana natokana handevenana ireo matin’ny Covid-19 ka anaovan’izy ireo antso avo amin’ny tomponandraikitra.

Covid-19 : ny fanjakana no mitsinjara ireo fanampiana voaray eny amin’ny BNGRC

0
Mandray  antsoratra ny fanampiana fotsiny ihany ny  eo anivon’ny BNGRC fa ny fanjakana no nitsinjara ireo fanampiana voaray raha ny fanazavana. Lamina izany napetraka hanamorana ny fitsinjarana ireo fitaovana voaray raha ny tatitra. Azon’ny fanjakana atao ihany koa ankilany ny manao antso avo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny mety tsy fahampiahan’ny fanafody eto Madagasikara.

Antson’ny fitondram-panjakana : efa mahatratra 350 ireo paramedy nanolo-tena

0
Efa mahtratra 350 ireo antontan-taratasin’ireo paramedy tonga namaly ny antso manoloana ny recrutement izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Ankoatra ireo paramedy, mandray ny personnel d’appui ihany koa ny fanjakana raha ny fanazavana ary mbola mitohy ny fandraisana ny antontan-taratasy.

Fanondranana an-tsokosoko Sokatra – Androy : zandary 02 sy sivily 01 no efa voasambotra

0
Tohin’ilay raharaha fanondranana an-tsokosoko sokatra tany amin’ny Faritra Androy, fantatra izao fa zandary 02 no efa voasambotra ka anatin’izany ilay zandary tomponandraikitra ambony miampy sivily iray izay nanangona ireo sokatra. Mitohy ankehitriny ny fanadihadiana hahafantarana sy hanasaziana ireo tompon’antoka rehetra.

Toamasina : mangataka ny hanemorana ny oran’ny couvre feu ireo mpivaro-tena

0
Nivory ireo mpivaro-tena ao Toamasina ny hariva teo ary nangataka ny hanemorana ny oran’ny couvre feu ho amin’ny 11 ora alina. Tsy te ho hitan'ny fiaraha-monina amin'ny andro mazava ny ankamaroan’ireo mpanjifa hoy izy ireo, ka tsy misy vola miditra raha vao mazava ny andro.