Archives quotidiennes: 17 avril 2021

Fanafody : tsy mitovy ny vidiny eny amin’ireo farmasia eto an-drenivohitra

0
Orinasa mpanafatra fanafody 1 amin’ny alalan’ny fiaramanidina fa tsy amin’ny sambo no antony mahalafo ny fanafody amin’ny toeram-pivarotam-panafody sasantsasany amin’izao raha ny nambaran’ny filohan’ny holafitry ny farmasiana. Efa misy ny fanarahamaso raha ny fanazavana. Hatreto, ampy ny tahirim-panafody eto amintsika.

CTC-19 Soamandrakizay : mandray ireo mararin’ny Covid-19 nanomboka androany

0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ary manomboka mandray ireo mararin’ny valan’aretina covid-19 ny Centre de Traitement covid-19 etsy Soamandrakizay. Miisa 136 ireo marary ho raisana an-tanana eo anivon’ity CTC ity. Nanamafy ny filoham-pirenena nandritra izany fa hampitomboana ny isan’ireo toerana handray ireo mararin’ny covid-19 eto Andrenivohitra manoloana ny fiakaran’ny isan’ireo tranga vaovao.

Fièvre de la vallée du Rift : miisa 1934 ny tranga voamarina ho an’ny faritra 4

0
Tafiakatra 1934 ny tranga « Fièvre de la vallée du Rift » amin’ny faritra 04 eto Madagasikara ankehitriny ary miisa 624 ny omby maty vokatr’izany. Araka izany, nivoaka ny didim-pitondrana isam-paritra, mandrara ny fivoahan’ireo Biby miraoka ahitra amin’ireo faritra ahitana ny valan’aretina. Hirosoana avy hatrany ny fanaovana Vaksiny ny Biby hifehezana ny fiparitahany.

Taom-pianarana 2020 – 2021 : miankina amin’ny fivoaran’ny valan’aretina ny ho mety fiovany

0
Mihato mandritry ny tapa-bolana manomboka ny 19 aprily izao ny fampianarana eny anivon’ireo sekoly manerana ny nosy raha ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena androany. Miankina amin’ny fivoaran’ny valan’aretina ny fanovana na tsia ny tetiandro ho an’ny taom-pianarana 2020-2021 raha ny fanazavana.