Archives mensuelles: mai 2021

Distrikan’Antsirabe II : manomboka ny fanamboaran-dalana

0
Natomboka ny fanamboaran-dalana ao amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa .Lalana mirefy 54 km manomboka  ao Vatofotsy  Antsirabe mihazo ny lalan’Ambano ary mipaka any amin’ny toby lehibe farihimena mivoaka any betafo.

Midongy Atsimo : miaramila 02 sy olona 17 no namoy ny ainy

0
Miova hatrany ny toe-draharaha ao Midongy Atsimo ankehitriny. Raha ny vaovao voaray farany, Miaramila 02 sy olona 17 no namoy ny ainy ary mitohy hatrany ny fanenjehana ireo Dahalo miisa 150 mirongo Basy sy fitaoam-piadiana mahery vaika. Trano miisa 300 no may, nandalovan’ireo Dahalo ireo.

Alatsinainy pentekosta : tany an-tokantrano no niaraka ny fianakaviana

0
Saika tany an-tokantrano niaraka tamin’ny fianakaviana no safidin’ny ankamaroan’ny olona tamin’ity alatsinain’ny pentkosta ity. Nisy saingy vitsy olona tsy tahaka ny isan-taona ny teny By Pass sy Analakely.

Vaksiny Covid-19 : nahazo ny anjarany ihany koa ny Faritra SAVA

0
Vita ny fanaovam-baksiny ireo olona tokony hisitraka izany amin’izao andiany voalohany izao tao amin’ny Faritra Sava. Mihena ihany koa ny tranga vaovao ary tsy misy afa-tsy 10 sisa no manaraka fitsaboana araka ny tatitra navoakan’ny CRCO. Na eo aza izany, tapaka fa hamafisina ny fanaraha-maso amin’ireo vavahady fidirana amin’ny faritra.

Air Madagascar : mpiasa maro no ahiana ho alefa chômage technique

0
Mpiasa an-jatony indray no ahiana ho tratra ny Chômage technique eo anivon’ny Orinasa Air Madagascar. Izay no nivoitra taorian’ny fvorian’ireo talen’ny orinasa sy ny solontenan’ny mpiasa. Raha toa ka tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra ofisialy mikasika izay, nanamafy ny tomponandraikitra fa mandalo fahasahiranana tanteraka ny kaompania amin’izao fotoana izao.

Fanaovam-bakisiny : hisitraka izany avokoa ireo faritra 22

0
Ho vita amin’ity herinandro ity ny famatsiana ny andiany voalohany amin’ny vaksiny fanefitry ny covid-19 ho an’ireo faritra 22 manerana ny Nosy raha ny nambaran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka androany. Mifanaraka amin’ny isan’ny mponina isam-paritra ny fitsinjarana ny vaksiny ary ireo mpiasan’ny fahasalmana, ireo mpitandro ny filaminana ary ireo olona marefo ara-pahasalamana sy mihoatry ny 70 taona no hisantatra izany.

Toamasina : nanomboka androany ny fanaovam-baksiny fanefitry ny covid-19

0
Naomboka androany ny andiany voalohany amin’ny fanaovam-baksiny ao Toamasina ao entina miady amin’ny fihanaky ny valan’aretina covid-19. Somary mbola vitsivitsy ireo nanatanteraka izany tamin’ity andro voalohany androany ity raha ny zava-misy tany Toamasina no jerena.

Lisi-pifidianana – 2020-2021 : nisy mpifidy vaovao 405 284 voasoratra anarana

0
Nifarana  tanteraka ny faran’ny herinandro teo ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ho an’ny taona 2020-2021 araky ny fampitam-baovao navoakan’ny  vaomierampirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. Niakatra 1,26% ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana nandritra ity fanavaozana isan-taona ity araka ny tarehimarika avy eo anivon’ny CENI.

Lalàna mifehy ny toaka gasy : mitodika eny Anosikely ny mason’ny mpanara-baovao

0
Hitodika eny anivon’ny lapan’ny Antenimierandoholona avokoa ny mason’ny mpanara-baovao rahampitso amin’ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny toaka gasy eto Madagasikara. Nanamafy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena izay nanolotra ity volavolan-dalàna ity fa tsy misy ahatahorana ny tsy hahalany izany raha toa ka misy amin’ireo teknisiana no mitady hevitra ny hanakanana ity lalàna ity.

Maintirano : ho jerena akaiky ny vidin’ny vato mampitaraina ireo mpitrandraka

0
Tsy maintsy ho jerena akaiky ny vidin’ny Vato amin’ireo kariera ao Maintirano hoy ny eo anivon’ny faritra. Ireto farany izay nanamafy fa tsy marina akory ny filazana fa hakatona ny Kariera izay niteraka korontana sy savorovoro tao an-toerana ny herinandro lasa teo.