Archives quotidiennes: 3 juin 2021

Barea de Madagascar : zava-dehibe ity fampivondronana voalohany ity

0
Zava-dehibe ho an’ny tontolon’ny baolina kitra ny fisian’ny fampivondronana izay hataon’ny mpanazatra Eric RABESANDRATANA izao hoy ireo mpamakafaka ara-panatanjahantena. Ahafahana mijery akaiky ny fivoaran’ny mpilalao rehetra izao fampivondronana izao.

FRAM : vola 5 miliara sy 540 tapitrisa ariary no hatokana handoavana ny karaman’izy ireo

0
Natomboka androany tao amin'ny faritra Boeny ny fizarana ny Tosika Fameno ho an'ireo mpampiantra ary vola mitentina 5 miliara sy 540 tapitrisa ariary no natokan'ny fitondram-panjakana handoavana ny karaman'ireo mpampiantra FRAM miisa 55.409 manerana ny Nosy. Ankoatra izay, notokanan'ny filohan'ny repoblika androany ihany koa ny tranon'ny kolotsaina tao amin'ny faritra Boeny.

Barea de Madagascar : nivoaka androany ny anaran’ireo mpilalao hiatrika fampivondronana

0
Nivoaka tamin’ity androany ity ny anaran’ireo mpilalao Malagasy miisa 35 izay voahantso hiatrika ilay fampivondronana manomboka ny faha 7 ny volana Jona ho avy izao araka ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra nasionaly Eric Rabesandratana.

Zotra nasionaly sy rezionaly : tsy hiakatra ny saran-dalana

0
Tsy hiakatra ny saran-dalana ho an’ny fitaterana miainga eny amin’ny fasan’ny karana manomboka ny zoma izao, araka ny namafisin’ireo mpitantana eny an-toerana.  Hitombo 25% noho ny andavan’andro ankilany ny fiara nomanina hitondra mpandeha ho an’ny zotra nasionaly sy rezionaly. Amin’izao fotoana, anatin’ny fanomanana tanteraka manoloana ny fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy hajaina ny tomponandraikitra, isan’izany ny famendrahana ranom-panafody.

Code de la Nationalité : hentitra ny mason-tsivana hahazoana ny zom-pirenena

0
Tsy araka ny resabe voizina ny votoatin’ny tolo-dalàna mahakasika ny fizakana ny zom-pirenena malagasy. Hentitra ny mason-tsivana napetraka ho an’ny teratany vahiny mangataka izany, hoy solombavambahoaka nandroso ny tolo-dalàna. Afaka manao OPPOSITION ihany koa ny governemanta ho an’ireo efa nahazo ka mampiasa ny fizakana ny zom-pirenena malagasy hanaovana fihetsika tsy araka ny tokony ho izy.

Famindrana mpivarotra – Ambatondrazaka : misy ny toerana hamindrana azy ireo

0
Ho esorina ny mpivarotra manao fanorenana tsy ara-dalana manoloana ny biraon'ny fitaleavam-paritry ny asa vaventy sy ny fanajariana ny tany ao Ambatondrazaka. Efa misy ny toerana hamindrana azy ireo raha ny fanazavana. Nisy androany ny fihaonana teo amin’ny kaominina Ambatondrazaka sy ireo mpivarotra.