Archives quotidiennes: 11 juin 2021

Faritra faha-23 : tsy tokony atao an-tery ny fametrahana ny faritra faha-23

0
Miroso ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanjakana manakaiky vahoaka eto Madagasikara. Izay no azo itarafana ny fankatoavan’ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna mahakasika ny fametrahana ny faritra faha-23. Tokony anaty fifampiresahana hatrany ankilany ny firosoana amin’izay, hoy ny solombavambahoaka no sady mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana.

Distrikan’Ambatondrazaka : mitohy ny fandripahana ireo hazo sarobidy

0
Mitohy ny fandripahana iroe hazo sarobidy toy ny palissandr ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Toa mitazam-potsiny ihany koa ireo tomponandraikitra mijry izany mihazo an’Antananarivo sy Toamasina na eo aza ny fandikan-dalàna.

Fiangonana Jesosy Mamonjy : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny samy mpitantana

0
Mitohy hatrany ny disadisa eo amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy, ary niha-nioatra izany amin’izao fotoana hiverenan’ny fisokafan’ny fiangonana izao indray. Mijabaka amin’ny Raharaham-piangonana ary mikasa hampiditra Politika ao anatiny ny solombavambahoaka Naivo Raholdina, hoy ny andaniny. Namaly kosa ity farany fa fandaminana no natao amin’ny maha mpino azy. Mihenjan-droa ny tady ankehitriny.

Kaominina Ambohidratrimo : notokanana ny kianja manara-penitra

0
Notontosaina androany ny fanokanana ny kianja manara-penitra teny Ambohidratrimo. Fanokanana izay niarahana tamin'ny filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ireo olo manan-kaja isan-tsokajiny. Ny kianja manarapenitra eny Ambohidratrimo izay hanantontosain'ny ekipa nasionaly Barea ny fampivondronana azy ireo ankehitriny.

Kaominina Ivato : nisitraka fitaovana fanadioavana ny tanàna

0
Tsy manakana ny fampandrosoana an'i Madagasikara ny tsy fitoviana firehana ara-politika. Porofon'izany ny fitsidihin'ny filohan'ny Repoblika ny kaominina Ivato. Notolorana fitaovana vaovao ahafahana mandroaka fako ny kaominina androany. Nandritr'izany ihany koa no nilazan'ny filoha ny hananganana kianja manarapenitra sy gymnase ao amin'ny kaominina Ivato.

Mpiasan’ny trano fandraisam-bahiny : maro no resy lahatra amin’ny fanatontosana vaksiny

0
Niroso tamin’ny fanaovam-baksiny ireo mpiasa ny trano fanfdraisam-bahiny maro eto Antananarivo renivohitra androany. Ankoatra ny lafiny fahasalamana, dingana iray ahafahana miditra tsikelikely amin’ny famelomana indray ny toekarena izao notontosaina izao raha ny fanazavana.