vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 juin 2021

Tafika Malagasy : hasiana toby isaky ny Distrika

0
Tontosa ny maraina to ny lanonana ara-mùiaramila famindram-pahefana teo amin’ny  chef d'État-Major des armées vaovao sy ny teo aloha izay notronin’ny Praiminisitra sy iroe mpikambana eo anivon’ny Governemanta. Fotoana izao hametrahana toby isaky ny distrika raha ny fanazavana.

CTC-19 : nakatona nanomboka androany ny CTC Mahamasina sy Mandrimena

0
Nakatona nanomboka androany ny CTC Mahamasina sy Mandrimena Andoharanofotsy. Nafindra eny amin'ny CTC Voara Andohatapenaka na eny amin'ny hopitaly, arakaraka ny hamafin'ny trangan'aretina miseho aminy ireo marary vitsivitsy tsaboina amin'izao fotoana izao.

« Rocade d’Iarivo » : mitohy ny fanonerana atao amin’ireo nanana fananana voakasika

0
Maherin’ny 14 miliara Ariary amin’izao fotoana izao ny fanonerana efa vitan’ny fanjakana  ho an’ireo nanana fananana  voakasika  tamin’ny fanamboarana ny Rocaden’Iarivo. Mitohy hatrany ny dingana entina hanonerana ireo ambiny tsy mbola voaloa, araky ny namafisin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy androany. Dingana ara-taratasy tsy maintsy arahina no antony tsy mbola maha voaefa izany raha ny fanazavana.

INSTAT : tsy ampy ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana hanatanterahana ireo asa

0
Voatery miankin-doha amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany ny Institut National de la Statistique vokatry ny tsy fahampian’ny vola haotkan’ny fanjakana hentiny miasa. Ity rafitra ity anfa ankilany, isan’ny iankinan’ireo tetik’asam-pampandrosoana eto amin’ny firenena.

« Or commercial » : tsy miantraika amin’ny sandam-bola Malagasy ny fananana azy

0
Or commercial fa tsy Or monétaire ilay volamena milanja 1T sy 300Kg voatahiry eo anivon’ny Banky Foiben’i Madsagasikara hatreto. Tsy  mipaka amin’ny sandam-bola sy ny toekarena ankapobeny ny tahiry « or commercial » io araky ny nambaran’ny mpahay toekarena. Dingana maro ankilany no afaka  atao ahafahana mamadika izany ho Or monétaire izany.